Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2. Nilaza ny Marina ny Mpanoratra

2. Nilaza ny Marina ny Mpanoratra

Antony Atokisana ny Baiboly

2. Nilaza ny Marina ny Mpanoratra

Azo inoana fa atokisanao ny olona iray, raha malaza ho milaza ny marina. Mety tsy hatoky azy intsony kosa anefa ianao, raha mandainga aminao izy, na dia indray mandeha monja aza.

TENA feno fahatsorana ireo mpanoratra Baiboly. Hita amin’izany fa tena marina ny zavatra nosoratany.

Fahadisoana. Niaiky an-karihary ny fahalemeny ny mpanoratra Baiboly. Nilaza ny fahadisoana nataony, izay nitondra fahavoazana lehibe ho azy, ohatra, i Mosesy. (Nomery 20:7-13) I Asafa indray nanazava fa nisy fotoana nitsiriritany ny fiadanan’ny ratsy fanahy. (Salamo 73:1-14) I Jona kosa nitantara fa tsy nankatò an’Andriamanitra izy sady tsy faly tamin’ny voalohany, rehefa namindra fo tamin’ny mpanota nibebaka Andriamanitra. (Jona 1:1-3; 3:10; 4:1-3) Ary i Matio dia nilaza tamim-pahatsorana fa nandao an’i Jesosy, tamin’ilay alina nisamborana azy.—Matio 26:56.

Nahariharin’ireo mpanoratra ny Soratra Hebreo fa nimonomonona sy nikomy ny mpiray firenena taminy matetika. (2 Tantara 36:15, 16) Tsy nisy nafeniny, na dia ny fahadisoan’ny mpitondra teo amin’ny fireneny aza. (Ezekiela 34:1-10) Ary ny apostoly? Nilaza ny marina koa izy ireo tao amin’ny taratasiny. Nolazainy ny olana lehibe nisy teo anivon’ny fiangonana sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nosoratany koa ny fahalemen’ny Kristianina sasany, anisan’izany ny mpiandraikitra.—1 Korintianina 1:10-13; 2 Timoty 2:16-18; 4:10.

Tsipiriany mahamenatra. Tsy nitady hanafina ny tsipiriany sasany mety hoheverina ho mahamenatra ny mpanoratra Baiboly. Niaiky tamim-pahatsorana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fa tsy tian’ny olona izy ireo, sady nohamavoina ary noheverina ho toy ny adala sy ambany. (1 Korintianina 1:26-29) Nilaza koa ireo mpanoratra fa noheverina ho ‘olon-tsotra tsy dia nahita fianarana’ ny apostolin’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 4:13.

Tsy hoe nanamboamboatra ny fomba nilazany zavatra izy ireo, mba hahatonga an’i Jesosy hahasarika kokoa ny olona. Tsy nafeniny fa teraka teo anivon’ny fianakaviana nahantra i Jesosy, ary tsy nianatra tany amin’ireo sekoly malaza. Tsy nafeniny koa fa tsy nandray ny hafatra notorin’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona.—Matio 27:25; Lioka 2:4-7; Jaona 7:15.

Ampy àry ny porofo omen’ny Baiboly, mba hampisehoana fa nilaza ny marina ny mpanoratra azy io. Tsy mahatonga anao hatoky ny Baiboly ve ny fahatsoran’izy ireo?

[Sary, pejy 6]

Nitantara ny fahadisoany ireo mpanoratra Baiboly, toa an’i Jona