Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatoky sa Tsia?

Hatoky sa Tsia?

Hatoky sa Tsia?

“Aza miantehitra amin’ny hazo boboka”, hoy ny fitenenana. Marina tokoa fa alohan’ny hianteherana amin’ny hazo iray, dia mila mahazo antoka aloha ianao fa tsy boboka ilay izy.

MITOVY amin’izay voalazan’i Solomona mpanjaka hendry teo amin’ny Israely fahiny, io fitenenana io. Hoy izy, 3 000 taona lasa teo ho eo izay: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Ny adala ihany tokoa no manaiky an-jambany izay rehetra reny, ary mampiorina ny fanapahan-keviny sy ny zavatra ataony amin’ny torohevitra na fampianarana tsy marim-pototra. Mety hahitan-doza ny fatokisana diso toerana, toy ny fianteherana amin’ny hazo boboka ihany. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Aiza no misy tari-dalana tena mendri-pitokisana?’

Olona an-tapitrisany eran-tany no mitoky tanteraka amin’ny boky tranainy iray, dia ny Baiboly Masina. Miantehitra amin’io boky io izy ireo mba hitari-dalana azy. Ataony miorina amin’ny torohevitr’izy io ny fanapahan-keviny. Ampifanarahiny amin’ny fampianarana ao anatin’izy io koa ny zavatra ataony. Miantehitra amin’ny hazo boboka ve izy ireo? Izany dia miankina indrindra amin’ny hoe: Azo itokisana ve ny Baiboly? Hodinihina ato amin’ity laharana manokana amin’ny Mifohaza! ity ny porofon’izany.

Tsy natao hanerena anao hanaiky fampianarana ara-pivavahana sasany ity gazety ity. Natao fotsiny kosa izy ity, mba hampisehoana aminao ireo porofo mafonja mahatonga olona an-tapitrisany hiaiky fa mendri-pitokisana ny Baiboly. Rehefa mahavaky ireo lahatsoratra manaraka ianao, dia ianao ihany no hanapa-kevitra raha mendri-pitokisana ny Baiboly na tsia.

Mila dinihina tsara àry io foto-kevitra io, fa tsy lalovana fotsiny. Raha tari-dalana mendri-pitokisana avy amin’ny Mpamorona tokoa mantsy ny Baiboly, dia hitondra soa ho anao sy ny havan-tianao ny fandinihana azy io.

Andeha aloha isika hiresaka zavatra miavaka vitsivitsy momba ny Baiboly. Maro no miaiky fa boky tsy manan-tsahala izy io.