Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona no Marina?

Fa Inona no Marina?

Fa Inona no Marina?

Nilaza i Timoty fa tsy tokony hihaino “fampianarana tsy izy” sy “anganongano” ny olona maniry hivavaka amin’ilay tena Andriamanitra. (1 Timoty 1:3, 4, Kat.) Mbola ilaina ve izany fampitandremana izany? Eny. Maro mantsy ny hevi-diso momba ny Baiboly sy ny fampianarany, ka lasa tsy liana amin’ny fivavahana marina ny olona. Resahina eto ny sasany amin’ireny hevi-diso ireny. Mariho izay lazain’ny Baiboly. Hanampy anao hahafantatra ny marina izany.

Diso: Tsy tena nisy ny fahagagana ao amin’ny Baiboly.

Marina: Maro ny zavatra mbola tsy fantatry ny olombelona, momba ny zavaboary. Mbola tsy hain’ny mpahay siansa tsara ny manazava ny atao hoe hery misintona, sy ny atao hoe fotoana. Tsy fantany tsara koa ny singa rehetra ao anatin’ny ataoma. Hoy ny Joba 11:7: “Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha?” Miaiky ny mpahay siansa fa tsy ho takatry ny saintsika amin’ny fomba feno ny momba ny zavaboary, ka izany no mahatonga azy ireo tsy ho sahy milaza avy hatrany hoe tsy tena nisy ny zavatra iray.

Diso: Mety daholo ny fivavahana rehetra.

Marina: Hoy i Jesosy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Raha mety daholo ny fivavahana rehetra, nahoana no tsy mahalala ny marina ny mpivavaka sasany fa mbola mila ‘afahana’? Nilaza koa i Jesosy, fa vitsy ihany ny olona mandeha amin’ilay “lalana mankany amin’ny fiainana.”—Matio 7:13, 14.

Diso: Mankany an-danitra daholo ny olona tsara fanahy rehefa maty.

Marina: “Ny mpandefitra ... no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay. Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy.” (Salamo 37:11, 29, 34) Olona mahatoky 144 000 ihany no mankany an-danitra. Notendren’Andriamanitra ho “mpanjaka hitondra ny tany” izy ireo.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 4.

Diso: Tsy ilain’ny Kristianina intsony ny “Testamenta Taloha.”

Marina: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Timoty 3:16, 17) “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Tena manampy antsika hahalala an’Andriamanitra sy ny fikasany ny “Testamenta Taloha” (Soratra Hebreo) sady manampy antsika hino ny “Testamenta Vaovao” (Soratra Grika Kristianina).

Diso: Tsy tena nisy ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Genesisy, anisan’izany ny tantaran’i Adama sy Eva.

Marina: Manome ny lisitry ny razamben’i Jesosy, hatrany amin’i Adama, i Lioka mpanoratra Filazantsara. (Lioka 3:23-38) Raha tsy tena nisy ireo tantara ao amin’ny Genesisy, aiza ao amin’ilay lisitra no mifarana ireo anaran’olona tena nisy, ary aiza no manomboka ireo anarana noforonina? Mino an’izay voasoratra ao amin’ny Genesisy i Jesosy, anisan’izany ny tantaran’i Adama sy Eva. Efa niaina tany an-danitra mantsy izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Matio 19:4-6) Lasa tsy azo antoka intsony ny zavatra nolazain’i Jesosy sy ny mpanoratra Baiboly maro, raha tsy tena nisy ny tantara ao amin’ny Genesisy.—1 Tantara 1:1; 1 Korintianina 15:22; Joda 14.