Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4. Mifanaraka Amin’ny Siansa

4. Mifanaraka Amin’ny Siansa

Antony Atokisana ny Baiboly

4. Mifanaraka Amin’ny Siansa

Betsaka ny fandrosoana vita teo amin’ny siansa. Noho izany, dia misolo vaovao ny teoria tranainy. Mety tsy hekena intsony ny zavatra noheverina fa marina taloha. Matetika àry no mila fanitsiana ny boky ara-tsiansa.

TSY boky momba ny siansa ny Baiboly. Miavaka anefa izy io, satria tsy mifanohitra amin’ny siansa ny zavatra lazainy.

Tsy ahitana hevitra mifanipaka amin’ny siansa. Be dia be ny hevi-diso neken’ny olona maro taloha. Nisy, ohatra, nino fa fisaka ny tany, ary misy zavatra manohana azy avy ao ambany. Nampiasa fitsaboana tsy mandaitra koa ny dokotera fahiny, talohan’ny nahafantarana ny momba ny fielezan’ny aretina sy ny fisorohana azy. Nisy aza nanao zavatra mahafaty mihitsy. Tsy misy hevitra tsy mifanaraka amin’ny siansa, na fampirisihana ny olona hanaraka fanao mampidi-doza mihitsy ao amin’ireo toko 1 100 ao amin’ny Baiboly.

Araka ny siansa ny zavatra lazainy. Efa 3 500 taona lasa izay no nilaza ny Baiboly fa mihantona “amin’ny tsy misy” ny tany. (Joba 26:7) Nilaza mazava tsara koa i Isaia tamin’ny taonjato fahavalo T.K., fa toy ny ‘andohalambo’ na boribory ny tany. (Isaia 40:22, Fandikan-teny Katolika) Moa ve tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny siansa ankehitriny ny hoe boribory ny tany ary mihantona fotsiny eny amin’ny habakabaka?

Diniho koa ny Lalàn’i Mosesy (ao amin’ny boky dimy voalohany amin’ny Baiboly), izay nosoratana tamin’ny 1500 T.K. tany ho any. Misy lalàna mahasoa ao amin’izy io momba ny fanokanan-toerana ny marary, ny fikarakarana faty, ary ny fanariana maloto.—Levitikosy 13:1-5; Nomery 19:1-13; Deoteronomia 23:14, 15.

Nandinika ny lanitra tamin’ny alalan’ny teleskaopy arifomba ny mpahay siansa, ka nanatsoaka hevitra fa nanam-piandohana izao rehetra izao, ary tampoka no nitrangan’izany. Tsy dia tian’ny mpahay siansa sasany ny vokatr’izany fanatsoahan-kevitra izany. Hoy ny profesora iray: ‘Toa nisy namorona izao rehetra izao, matoa nanam-piandohana. Iza moa no hanaiky hoe zavatra hoatra izany dia ho tongatonga ho azy tsy nisy namorona?’ Efa ela talohan’ny nisian’ny teleskaopy anefa ny Baiboly no nilaza mazava tsara toy izao, ao amin’ny andininy voalohany: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”—Genesisy 1:1.

Marina fa efa tranainy ny Baiboly, ary miresaka zavatra maro isan-karazany. Tsy misy hevi-diso ara-tsiansa anefa ao aminy. Moa ve izy io tsy mendrika ny hodinihina, fara faharatsiny? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mba hahitana ohatra hafa mampiseho fa mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, dia jereo ny pejy 18-21 amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 8]

Efa ela talohan’ny nahafantarana ny momba ny tany, no nilaza ny Baiboly fa boribory izy io ary mihantona “amin’ny tsy misy”

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./NASA