Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

Manana Anjely Mpiambina ve Ianao?

Manana Anjely Mpiambina ve Ianao?

Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika [mpianatr’i Kristy] ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 18:10) Tsy te hilaza anefa izy hoe manana anjely mpiambina azy ny olona tsirairay. Te hilaza kosa izy fa mitady izay hahasoa ny mpianany tsirairay ny anjely. Tsy misangy loza àry ny tena mpivavaka, satria tsy manantena izy ireo hoe hiaro azy foana ny anjelin’Andriamanitra.

Midika ve izany fa tsy manampy ny olona ny anjely? Tsia. (Salamo 91:11) Misy tena resy lahatra hoe nanampy sy nitari-dalana azy ny anjelin’Andriamanitra. Anisan’izany i Kenneth, ilay voaresaka tany aloha. Mety ho marina ny azy. Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no mahatsapa fa manampy azy ireo amin’ny asa fitoriana ny anjely. Tsy hita maso anefa ny anjely, ka tsy haintsika hoe hoatran’ny ahoana avy no ampiasan’Andriamanitra azy ireny mba hanampiana ny olona. Na izany aza, dia tsy diso isika raha misaotra an’ilay Mahery Indrindra noho izy manampy antsika, na inona na inona fomba ampiasainy.—Kolosianina 3:15; Jakoba 1:17, 18.