Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

Ahoana no Anampian’ny Anjely Anao?

Ahoana no Anampian’ny Anjely Anao?

Mahaliana an’ireo anjely tsy mivadika ny ataon’ny olona, ary manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah izy ireo. “Nanao antsoantsom-pifaliana” sy “nihoby avokoa ny zanak’Andriamanitra”, rehefa namorona ny tany Andriamanitra. (Joba 38:4, 7) Efa hatramin’izay izy ireo no te ‘handinika tsara’ an’ireo faminaniana momba ny zavatra hitranga etỳ an-tany.—1 Petera 1:11, 12.

Milaza ny Baiboly fa niaro an’ireo tena mpivavaka ny anjely indraindray, mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 34:7) Ireto misy ohatra:

  • Nampian’ny anjely i Lota, olo-marina, sy ny fianakaviany mba handositra an’i Sodoma sy Gomora. Efa handrava an’ireo tanàna ireo mantsy i Jehovah tamin’izay.—Genesisy 19:1, 15-26.

  • Nisy tanora hebreo telo lahy natsipy tao anaty lafaoro mirehitra, tany Babylona fahiny. “Naniraka ny anjeliny” àry Andriamanitra mba “hamonjy ny mpanompony.”—Daniela 3:19-28.

  • Natsipy tao anaty lavaka nisy liona noana be i Daniela, olo-marina. Nijanona tao nandritra ny alina izy, nefa tsy maty. Nilaza izy fa ‘naniraka ny anjeliny ny Andriamaniny ka nanakombona ny vavan’ny liona.’—Daniela 6:16, 22.

Efa hatry ny ela ny anjely no nanampy an’ireo olona tsy mivadika

NANAMPY NY KRISTIANINA VOALOHANY NY ANJELY

Nanao an’izany izy ireo indraindray, mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. Ireto misy ohatra:

  • Nosokafan’ny anjely ny varavaran’ny fonja nanagadrana an’ireo apostoly, ary niteny tamin’izy ireo izy mba tsy hitsahatra hitory tao amin’ny tempoly.—Asan’ny Apostoly 5:17-21.

  • Nilaza tamin’i Filipo mpitory ny vaovao tsara ny anjely iray, mba ho any amin’ny lalana any an-tany efitra, avy eo Jerosalema nankany Gaza. Nisy Etiopianina iray avy nivavaka tany Jerosalema nandeha tamin’io lalana io, ka nasain’ilay anjely nitory taminy i Filipo.—Asan’ny Apostoly 8:26-33.

  • Niseho tamin’i Kornelio tao amin’ny fahitana ny anjely iray. Nasainy nampanantsoin’io manamboninahitra romanina io ho any an-tranony ny apostoly Petera. Neken’Andriamanitra ho lasa Kristianina amin’izay mantsy ny tsy Jiosy.—Asan’ny Apostoly 10:3-5.

  • Niseho tamin’ny apostoly Petera tao am-ponja ny anjely iray, ary nasainy nanaraka azy nivoaka avy tao izy.—Asan’ny Apostoly 12:1-11.

AHOANA NO ANAMPIAN’NY ANJELY ANAO?

Tsy mampiasa ny anjeliny amin’ny fomba mahagaga intsony izao Andriamanitra. Hoy anefa i Jesosy momba ny androntsika: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Fantatrao ve fa mitarika an’io asa ataon’ny mpianatr’i Kristy io ny anjely?

Manampy amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara eran-tany ny anjely

Resahin’ny Apokalypsy fa ampian’ny anjely ny olona eran-tany, mba hahalala an’i Jehovah sy ny fikasany momba ny olombelona. Hoy ny Apokalypsy 14:6, 7: “Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary nanao tamin’ny feo mafy izy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.’” Maro be izao ny porofo fa manohana ny asa fitoriana an’ilay Fanjakana ny anjely. “Mifaly” izy ireo rehefa misy mpanota iray mibebaka ka manatona an’i Jehovah.—Lioka 15:10.

Inona no hitranga rehefa vita ny asa fitoriana? Hiaraka amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, ny anjely na ‘ny tafika any an-danitra’, mba hanao ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra”, ao Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14-16; 19:14-16) Hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra ireo anjely mahery ireo, “amin’ny fotoana [hamalian’i Jesosy Tompo] an’izay ... tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.”—2 Tesalonianina 1:7, 8.

Matokia àry fa te hanampy anao ny anjely. Tena mitady izay hahasoa an’ireo te hanompo an’Andriamanitra izy ireo. Efa nampiasa imbetsaka azy ireo i Jehovah mba hiaro sy hampahery ny mpanompony tsy mivadika etỳ an-tany.—Hebreo 1:14.

Mila misafidy àry isika tsirairay hoe: ‘Hihaino sy hankatò an’ilay vaovao tsara torina eran-tany ve aho?’ Ho faly hanampy anao handray soa amin’ny fanampian’ny anjely mahery ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo.