Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

Ny Marina Momba ny Anjely

Ny Marina Momba ny Anjely

Te hahalala ny marina momba ny anjely ve ianao? Ohatra hoe: Iza izy ireny? Ahoana no nampisy azy? Inona no ataony? Mamaly an’izany ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Inona àry no voalaza ao?

  • Fanahy toa an’Andriamanitra ny anjely. “Tsy manana nofo sy taolana” izy ireo. Mipetraka any an-danitra ny anjely tsy mivadika, ary afaka mankeo anatrehan’Andriamanitra.—Lioka 24:39; Matio 18:10; Jaona 4:24.

  • Nitafy vatan’olombelona ny anjely rehefa nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany. Niverina ho anjely indray izy ireo, rehefa vita ny asa nampanaovina azy.—Mpitsara 6:11-23; 13:15-20.

  • Tsy misy lahy sy vavy ny anjely, na dia resahina ho toy ny lehilahy aza izy ireny ao amin’ny Baiboly sady nitafy vatan-dehilahy. Tsy manambady na miteraka koa izy ireny. Tsy hoe zazakely, na ankizy, na olon-dehibe efa maty no lasa anjely any an-danitra. I Jehovah mihitsy no namorona ny anjely, ka antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireny.—Joba 1:6; Salamo 148:2, 5.

  • Manana ny fiteniny ny anjely, matoa ny Baiboly miresaka momba ny “fitenin’olona sy fitenin’anjely.” Nampiasa azy ireny Andriamanitra rehefa niresaka tamin’ny olona. Tsy tiany hivavaka amin’izy ireny anefa isika.—1 Korintianina 13:1; Apokalypsy 22:8, 9.

  • Miisa alinalina sy arivoarivo ny anjely, izany hoe mety ho an-jatony tapitrisa na an’arivony tapitrisa mihitsy aza.—Daniela 7:10; Apokalypsy 5:11.

  • “Mahery dia mahery” ny anjely. Matanjaka sy mahay lavitra noho ny olombelona izy ireny. Afaka mandeha haingana be koa ny anjely, ary tsy takatry ny saintsika mihitsy ny hafainganam-pandehany.—Salamo 103:20; Daniela 9:20-23.

  • Voafetra ihany anefa ny zavatra hain’ny anjely sy ny heriny, na izany aza.—Matio 24:36; 1 Petera 1:12.

  • Samy manana ny toetrany ny anjely. Hoatran’ny an’Andriamanitra ny toetran’izy ireo. Afaka mifidy ny hanao ny tsara na ny ratsy koa izy ireo, toy ny olona ihany. Indrisy anefa fa nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra ny sasany.—Joda 6.