Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Manambany ve ilay fanoharan’i Jesosy momba ny “alikakely”?

Sarivongana grika na romanina mampiseho ankizy mitazona alikakely (taonjato voalohany Talohan’i Kristy ka hatramin’ny taonjato faharoa Aorian’i Kristy)

Tany Syria, faritany romanina tany ivelan’i Israely, i Jesosy, indray mandeha. Nangataka fanampiana taminy ny vehivavy grika iray. Rehefa namaly azy i Jesosy, dia nohariny tamin’ny “alikakely” ny tsy Jiosy. Noheverina ho biby maloto ny alika, teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 11:27) Te hanambany an’ilay vehivavy grika sy ny tsy Jiosy àry ve i Jesosy?

Tsia. Tian’i Jesosy hasongadina fa ny hanampy ny Jiosy aloha no tena nimasoany, araka ny teniny tamin’ny mpianany. Hoy àry izy tamin’ilay vehivavy: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” (Matio 15:21-26; Marka 7:26) Tia niompy alika tao an-tranony ny ankamaroan’ny Grika sy ny Romanina, ary niara-nilalao tamin’ny ankizy izy ireny. Mety ho zavatra tsara àry no tao an-tsain’ilay vehivavy rehefa nahare hoe “alikakely” izy. Hoy izy: “Marina izany, Tompo ô, kanefa ny alikakely koa mba mihinana ihany amin’ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.” Noderain’i Jesosy ilay vehivavy satria nanam-pinoana, ary nositraniny ny zanany vavy.—Matio 15:27, 28.

Tsara ve ny soso-kevitry ny apostoly Paoly hoe tokony hahemotra ilay dia an-dranomasina?

Sary sokitra mivohitra ahitana sambo lehibe iray (taonjato voalohany)

Notoherin’ny rivotra ny sambo nitondra an’i Paoly ho any Italia. Nisy fotoana ilay sambo niantsona vetivety, ka nanome soso-kevitra izy hoe sao dia tokony hahemotra ilay dia. (Asan’ny Apostoly 27:9-12) Nahoana izy no niteny an’izany?

Fantatry ny tantsambo fahiny fa mampidi-doza ny Ranomasina Mediterane rehefa ririnina. Tsy nisy sambo nahazo nandeha teo mihitsy aza, ny tapatapaky ny Novambra ka hatramin’ny tapatapaky ny Martsa. Tamin’ny Septambra na Oktobra anefa ilay dia notantarain’i Paoly. Hoy i Végèce, mpanoratra romanina tamin’ny taonjato fahefatra, tao amin’ny bokiny: “Mety tsara hanaovana dia [any amin’io ranomasina io] ny volana sasany, ary misy tsy tena azo antoka. Tsy azo atao mihitsy anefa izany ny volana hafa.” Nohazavainy fa tsy atahorana ny ranomasina ny 27 Mey ka hatramin’ny 14 Septambra. Tsy azo antoka na mety hampidi-doza kosa izy io ny 15 Septambra ka hatramin’ny 11 Novambra, sy ny 11 Martsa ka hatramin’ny 26 Mey. Fantatr’i Paoly tsara izany satria efa zatra nanao dia lavitra izy. Azo inoana fa fantatr’ilay mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo koa izany, saingy tsy noraharahainy ny tenin’i Paoly. Rendrika àry ilay sambo!—Asan’ny Apostoly 27:13-44.