Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Nahoana ny lehilahy iray mpankafy môtô sy mpifoka rongony ary tia fanatanjahan-tena no nifidy ny ho mpitory manontolo andro? Nahoana ny mpiloka iray kalazalahy no tsy niloka intsony, fa namelona ny fianakaviany tamin’ny asa mendri-kaja? Inona no nahatonga ny tovovavy iray zanaka Vavolombelon’i Jehovah handinika indray ny fiainany, nefa izy efa tsy nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly intsony? Diniho izay nolazain’izy ireo.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: TERRENCE O’BRIEN

TAONA: 57

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: MPIFOKA RONGONY SY MPANKAFY MÔTÔ

NY FIAINAKO TALOHA: Nipetraka tany Brisbane, renivohitr’i Queensland, izahay tamin’izaho mbola kely. Katolika izahay, kanefa tsy niangona na niresaka momba ny fivavahana intsony, tamin’izaho valo taona. Nifindra tany Gold Coast, eto Aostralia izahay, tamin’izaho folo taona. Akaiky ranomasina ny tranonay, ka nilomano sy nilalao onja foana aho.

Tsy nahafinaritra anefa ny fahazazako. Nandao anay ny raiko tamin’izaho valo taona, ary nanambady indray ny reniko. Lasa fahita tao an-trano ny fisotroana sy ny fifamaliana. Niady be ny reniko sy ny raikeliko indray alina. Nipetraka teo am-pandriana aho tamin’izay ary nivoady fa raha manambady aho, dia tsy hifamaly amin’ny vadiko mihitsy. Nifankatia foana izahay valo mianaka, na teo aza ny olana tao an-trano.

Rehefa nihalehibe aho, dia maro tamin’ny ankizy nitovy taona tamiko no nikomy tamin’ny manam-pahefana. Nifoka rongony sy sigara ary nampiasa zava-mahadomelina hafa ry zareo, sady niboboka toaka. Lasa tsy nivaky loha toa azy ireo aho. Tia nitaingina môtô koa aho. Efa imbetsaka aho no saika matin’izany, nefa mbola nitety an’i Aostralia tamin’ny môtô ihany.

Afaka nanao izay tiako aho nefa kivy indraindray, rehefa nandinika ny toe-piainana eran-tany. Hitako fa tsy niraharaha ny olana mahazo ny olombelona ny ankamaroan’ny olona. Te hahalala mafy ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fivavahana ary ny toe-piainana eran-tany aho. Nanontany pretra katolika roa aho, nefa nandiso fanantenana ahy ny valin-teniny. Nanontany pasitera maromaro koa aho nefa mbola diso fanantenana ihany. Nampihaonin’ny namako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Eddie aho avy eo. Vao nifampiresaka izahay, dia tsapako fa hafa mihitsy ny zavatra nolazainy. Inefatra izahay no nifampiresaka ary nampiasa Baiboly foana izy mba hamaliana ny fanontaniako. Mbola tsy tsapako anefa tamin’izay hoe nila nanova ny fomba fiainako aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nisy Vavolombelona hitako tamin’izaho nitety an’i Aostralia, ary niresaka izahay. Niverina tany Queensland aho, ary tsy nifandray tamin’ny Vavolombelona intsony, nandritra ny enim-bolana.

Avy niasa aho, indray mandeha, ary nahita lehilahy roa nanao akanjo mihaja sady nitondra kitapo. Nieritreritra aho hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Nohatoniko izy ireo, ary nofantariko raha tena Vavolombelona tokoa. Nasaiko nampianatra Baiboly ahy ry zareo, avy eo. Tonga dia nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanatrika fivoriambe tany Sydney mihitsy aza aho, tamin’ny 1973. Kivy be anefa ny fianakaviako, indrindra fa ny reniko, rehefa fantatr’izy ireo ny nataoko. Tsy nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony aho noho izany, sy noho ny antony hafa. Tena tia nilalao cricket koa aho ka variana tamin’izany nandritra ny herintaona.

Tsapako tatỳ aoriana fa tamin’izaho nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tena sambatra. Nitady azy ireo indray aho ary nanatrika fivoriana. Tsy niaraka tamin’ireo namako mpifoka rongony intsony koa aho.

Inona no tena nampiova ahy? Izay nianarako momba an’i Joba, ilay resahin’ny Baiboly. Nisy Vavolombelona zokiolona niresaka tsy tapaka tamiko momba ny Baiboly. Bill no anarany ary tsara fanahy izy nefa hentitra. Nianatra momba an’i Joba izahay, ary nanontaniany aho hoe iza koa no nampangain’i Satana ho tsy manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. (Joba 2:3-5) Notanisaiko teo izay olona fantatro ao amin’ny Baiboly. Naharitra nihaino ahy izy, ary nilaza hoe: “Eny e, ry zareo koa.” Nojereny teo amin’ny masoko aho avy eo, ary hoy izy: “Fa ianao koa ampangain’i Satana!” Toy ny nilatsaham-baratra aho! Talohan’iny fianarana iny, dia efa fantatro fa marina ny zavatra rehetra nianarako. Takatro anefa nanomboka teo hoe nahoana aho no tokony hampihatra azy ireny. Natao batisa aho, efa-bolana tatỳ aoriana, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Mihoron-koditra aho rehefa mieritreritra izay ho niafarako raha tsy nianatra nankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Mety ho efa maty aho hoatr’izay. Maro ny namako matin’ny rongony na toaka, na nijaly am-panambadiana. Saika toy izany koa aho.

Nanambady an’i Margaret aho, ary faly izahay mivady manompo eto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia. Tsy misy manompo an’i Jehovah ny fianakaviako. Faly anefa izahay sy Margaret nandritra izay taona maro izay, satria nanampy mpivady maro sy olon-kafa mba hianatra Baiboly. Nanova ny fiainany izy ireny, toy ny nataoko. Lasa nahazo namana maro mahafinaritra izahay. Nanampy ahy hitana ny voady nataoko, efa ho 40 taona lasa izay, i Margaret, izay zanaka Vavolombelona. Efa 25 taona mahery izao izahay no nivady, ary sambatra ny tokantranonay. Mbola tsy nifamaly izahay, na dia tsy mitovy hevitra aza indraindray. Samy miaiky izahay fa ny Baiboly no mahatonga izany.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: MASAHIRO OKABAYASHI

TAONA: 39

FIRENENA: JAPON

FIAINANY TALOHA: MPILOKA

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany Iwakura aho. Tanàna kely izy io ary antsasak’adiny avy eo Nagoya, raha mandeha lamasinina. Tsaroako hoe samy tena tsara fanahy ny ray aman-dreniko. Fantatro anefa tatỳ aoriana fa hay yakuza, na jiolahy, ny raiko. Nisy fotoana nanaovany hosoka mba hamelomana anay dimy mianaka. Niboboka toaka izy isan’andro, ka matin’ny aretin’aty tamin’izaho 20 taona.

Koreanina ny raiko, ka navakavahan’ny olona izahay matetika. Nisy olana maro hafa koa, ka nampalahelo ny fahazazako. Niditra nianatra teny amin’ny lise aho nefa zara raha tonga nianatra. Niala aho herintaona tatỳ aoriana. Sarotra tamiko ny nahita asa, satria efa nanana olana tamin’ny polisy aho. Izaho rahateo metisy koreanina. Nahita asa ihany aho tatỳ aoriana, saingy naratra ny lohaliko ka tsy afaka niasa vatana aho.

Lasa nivelona tamin’ny filalaovana pachinko aho. Fitaovana filokana ampiasana kanety izy io. Niara-nipetraka tamin’ny vehivavy iray aho tamin’izay. Tiany hitady asa mendrika sy hanambady azy aho. Be dia be anefa ny vola azoko tamin’ny filokana, ka tsy te hiova aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay ary nanome ahy ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? Mbola tsy noeritreretiko mihitsy io fanontaniana io taloha. Nanaiky hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly anefa aho, rehefa avy namaky an’ilay boky. Nieritreritra foana aho hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Nazava tamiko ny valiny nomen’ny Baiboly momba izany sy ny zavatra hafa, ka toy ny hoe nisy kiran-trondro nilatsaka avy tamin’ny masoko.

Tsapako fa nila nampihatra an’izay nianarako tao amin’ny Baiboly aho, ka nisoratra tamin’ilay vehivavy niarahako, ary tsy nifoka sigara intsony. Notapahiko ilay voloko nolokoiko mena, ary nohatsaraiko ny fomba fiakanjoko. Tsy niloka intsony koa aho.

Tsy mora ny niala tamin’ireo rehetra ireo. Tsy vitako irery, ohatra, ny niala tamin’ny sigara. Nivavaka mafy anefa aho ary niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra, ka vitako ihany izany. Sarotra be tamiko koa ny nanao an’ilay asako vaovao, rehefa tsy niloka intsony aho. Mafy ilay izy sady nandrera-tsaina, nefa antsasaky ny vola azoko tamin’ny filokana fotsiny ny karamako. Anisan’ny andinin-teny nanampy ahy tamin’izany ny Filipianina 4:6, 7. Izao no voalaza ao: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Imbetsaka izany no tanteraka tamiko.

NY SOA NORAISIKO: Tsy faly ny vadiko, tamin’izaho vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianatra sy namonjy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamiko anefa izy, rehefa nahita ny fiovana lehibe nataoko. Samy Vavolombelon’i Jehovah izao izahay. Fitahiana tokoa ny miara-manompo an’Andriamanitra!

Nihevitra aho fa sambatra, talohan’ny nianarako Baiboly. Fantatro anefa izao ny atao hoe tena fahasambarana. Tsy mora mihitsy ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly, nefa azoko antoka fa izany no fomba fiaina tsara indrindra.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: ELIZABETH SCHOFIELD

TAONA: 35

FIRENENA: ROYAUME-UNI

FIAINANY TALOHA: TIA NIALA VOLY ISAKY NY FARAN’NY HERINANDRO

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany Hardgate aho. Tanàna kely tsy lavitra an’i Glasgow, any Ekosy, izy io. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny reniko, ary nanomboka nampianatra Baiboly ahy izy, tamin’izaho fito taona. Lasa tiako kokoa anefa ny niaraka tamin’ny mpiara-mianatra tamiko, tamin’izaho 17 taona. Namonjy alim-pandihizana izahay, nihaino rock mavesatra, ary nisotro toaka. Tsy mba nieritreritra momba an’Andriamanitra mihitsy aho na nieritreritra momba ny Baiboly, fa niala voly foana rehefa faran’ny herinandro. Niova anefa izany, tamin’izaho 21 taona.

Namangy ny havanay tany Irlandy Avaratra aho, ka nahita an’ilay filaharam-ben’ny Protestanta, izay antsoina hoe Orange Walk. Hita be hoe nifankahala sy nifampitsara an-tendrony ny Protestanta sy ny Katolika, ka tohina aho. Nanampy ahy ho tonga saina izany. Tsaroako ireo zavatra nampianarin’i Neny ahy avy ao amin’ny Baiboly. Fantatro fa tsy tian’Andriamanitra mihitsy ireo olona tsy miraharaha ny fitsipiny feno fitiavana. Takatro, avy eo, fa variana nitady izay hahasoa ahy fotsiny aho fa tsy mba niraharaha izay zavatra tian’Andriamanitra hataoko. Nanapa-kevitra àry aho fa hamakafaka tsara izay ampianarin’ny Baiboly, rehefa tafody any Ekosy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsy nahazo aina sy natahotra aho, rehefa niverina nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany aminay. Nandray ahy tsara anefa ny rehetra. Nisy rahavavy tena tsara fanahy, teo anivon’ny fiangonana. Naneho fiheverana manokana ahy izy rehefa nanomboka nampihatra izay nianarako tao amin’ny Baiboly aho. Nataony tsapako hoe anisan’ny fiangonana indray aho. Mbola nasain’ireo namako taloha hiaraka aminy hamonjy alim-pandihizana ihany aho. Nolazaiko anefa ry zareo hoe efa mankatò ny fitsipiky ny Baiboly aho ary tsy hiova intsony. Tsy nifandray tamiko intsony izy ireo, tatỳ aoriana.

Boky feno fitsipika fotsiny no niheverako ny Baiboly, taloha. Niova anefa izany fiheverako izany. Lasa hitako fa tena nisy ireo olona ao amin’ny Baiboly, ary nanana fihetseham-po sy fahalemena toa ahy ihany. Nanao fahadisoana koa izy ireny, saingy navelan’i Jehovah Andriamanitra ny helony noho izy ireo tena nibebaka. Natoky aho fa na dia tsy niraharaha an’Andriamanitra aza aho tamin’izaho mbola tanora, dia hamela ny heloko izy ary hanadino ny fahadisoako, raha miezaka mafy ny hampifaly azy aho.

Tena nampiaiky ahy koa i Neny. Tsy nandao an’Andriamanitra izy, na nanao izany aza aho. Tsy nivadika mihitsy izy, ka hitako fa tsy very maina ny fiezahana hanompo an’i Jehovah. Tsy faly mihitsy aho taloha rehefa nandeha nitory isan-trano izahay sy Neny, ary tsy nieritreritra ny handany ora maro hitoriana mihitsy aho. Tiako handramana anefa izao raha tena marina ilay fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:31-33. Hoy izy: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ ... Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” Natao batisa aho, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nialako ilay asako manontolo andro, tsy ela taorian’izay, nanao asa tapa-potoana aho, ary lasa mpitory manontolo andro.

NY SOA NORAISIKO: Tsy afa-po mihitsy aho, tamin’izaho tia niala voly isaky ny faran’ny herinandro, fa nisy banga ny fiainako. Afa-po anefa aho izao, satria revo tanteraka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Lasa misy dikany ny fiainako. Manambady aho, ary mitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay isan-kerinandro, mba hampaherezana ny hafa. Mbola tsy nanao asa mahafinaritra hoatran’io aho hatramin’izay. Tena misaotra an’i Jehovah aho fa mbola navelany hanompo azy ihany!

[Teny notsongaina, pejy 27]

‘Vao nifampiresaka izahay, dia tsapako fa hafa mihitsy ny zavatra nolazainy. Mbola tsy tsapako anefa tamin’izay hoe nila nanova ny fomba fiainako aho’

[Teny notsongaina, pejy 29]

‘Tsy vitako irery ny niala tamin’ny sigara. Nivavaka mafy anefa aho ary niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra, ka vitako ihany izany’

[Teny notsongaina, pejy 30]

“Boky feno fitsipika fotsiny no niheverako ny Baiboly, taloha. Niova anefa izany fiheverako izany. Lasa hitako fa tena nisy ireo olona ao amin’ny Baiboly, ary nanana fihetseham-po sy fahalemena toa ahy ihany”