Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omen’i Jehovah Safidy Isika

Omen’i Jehovah Safidy Isika

Manatòna An’Andriamanitra

Omen’i Jehovah Safidy Isika

Deoteronomia 30:11-20

HOY ny vehivavy kristianina iray: “Manahy aho indraindray hoe tsy maintsy hivadika amin’i Jehovah.” Nihevitra izy fa tsy misy antenaina intsony ny aminy, noho ny zavatra niainany tamin’izy mbola kely. Izany tokoa ve no izy? Tena tsy afa-manoatra amin’izay mitranga amintsika ve isika? Tsia! Nomen’i Jehovah Andriamanitra safidy malalaka isika, ka afaka mifidy izay hataontsika. Tiany hanao safidy tsara isika, ary asehon’ny Baiboly ny fomba hanaovana izany. Diniho ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia toko 30.

Sarotra ve ny mamantatra ny zavatra takin’Andriamanitra, sy ny manao izany? * Hoy i Mosesy: “Tsy sarotra loatra aminao izany didy andidiako anao anio izany, sady tsy lavitra loatra.” (Andininy 11) Tsy hoe mila voatsiary i Jehovah. Tsy tafahoatra loatra ny zavatra takiny, ary azo tanterahina. Azo fantarina koa izy ireny. Tsy voatery “hiakatra any an-danitra” isika na “hiampita ny ranomasina”, vao ho afaka hianatra izay takin’Andriamanitra. (Andininy 12, 13) Asehon’ny Baiboly mazava tsara izay tokony ho fomba fiainantsika.—Mika 6:8.

Tsy teren’i Jehovah hankatò azy anefa isika. Hoy i Mosesy: “Ataoko eo anatrehanao anio ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza.” (Andininy 15) Antsika àry ny safidy: Na fiainana sy soa, na fahafatesana sy loza. Afaka mifidy ny hankatò sy hanompo an’Andriamanitra isika ka hahazo fitahiana, na tsy hankatò azy ka hijinja ny vokany. Na inona na inona ataontsika, dia antsika ny safidy.—Andininy 16-18; Galatianina 6:7, 8.

Tsy mampaninona an’i Jehovah ve izay fomba fiaina fidintsika? Tsy marina izany satria hoy i Mosesy, teo ambany herin’ny fanahy masina: “Mifidiana ny fiainana.” (Andininy 19) Ahoana anefa no ifidianantsika ny fiainana? Hoy ihany izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy.” (Andininy 20) Raha tia an’i Jehovah isika, dia haniry hihaino sy hankatò azy ary tsy hivadika aminy, na inon-kidona na inon-kihatra. Mifidy ny fiainana isika raha manao izany, izany hoe mifidy ny fomba fiaina tsara indrindra ankehitriny, ary manantena fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra amin’ny hoavy.—2 Petera 3:11-13; 1 Jaona 5:3.

Tena marina ny tenin’i Mosesy ary mampahery. Na inona na inona zavatra niainanao teto amin’ity tontolo ratsy ity, dia tsy hoe tsy afa-manoatra amin’izay rehetra mitranga aminao ianao, ary tsy hoe tsy misy antenaina intsony ny aminao. Sarobidy amin’i Jehovah ianao, ka nomeny safidy malalaka. Tena afaka ny ho tia sy hihaino an’i Jehovah ianao ary tsy hivadika aminy. Raha mifidy ny hanao izany ianao, dia hotahiny ny ezaka ataonao.

Nampahery an’ilay vehivavy noresahina terỳ aloha ilay fahamarinana hoe afaka mifidy ny ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy isika. Hoy izy: “Tena tiako i Jehovah. Hadinoko indraindray fa ny fitiavako azy no tena zava-dehibe. Afaka ny tsy hivadika aminy àry aho.” Hahavita izany koa ianao, noho ny fanampian’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manatòna An’Andriamanitra—Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2009.