Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Nafoy ny Paradisa?

Nahoana no Nafoy ny Paradisa?

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nahoana no Nafoy ny Paradisa?

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY GENESISY 3:1-24.

Mety ho nanao ahoana ny fihetsik’i Eva, raha vao niresaka taminy ilay bibilava?

․․․․․

Tadidio fa nanao fanahy iniana nanota i Adama sy Eva. Inona no tsapan’izy ireo, raha jerena ny andininy 7-10?

․․․․․

Mety ho nanao ahoana ny fandroahana an’i Adama sy Eva avy tao amin’ny zaridainan’i Edena, araka ny andininy 22-24?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahatonga an’i Eva ho voafandrika ny masony. Hazavao. (Vakio indray ny andininy 6.)

․․․․․

Nahoana no lasa ‘nahafinaritra’ an’i Eva ilay voankazo? (Vakio indray ny andininy 4 sy 5.)

Inona no nety ho nahatonga an’i Adama hiara-hanota amin’i Eva? (Vakio indray ny andininy 6.)

․․․․․

Inona no vokatry ny fahotana, teo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy tatỳ aoriana? (Vakio indray ny andininy 16.)

․․․․․

Ahoana no ahalalantsika fa tsy nifankahazo tsara intsony i Adama sy Eva, taorian’ny nanotany? (Vakio indray ny andininy 12.)

․․․․․

Namaha an’ilay olana avy hatrany i Jehovah mba hahatanteraka ny fikasany. Inona no nataony? (Vakio indray ny andininy 15.)

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Vokany ratsy rehefa tsy tia fehezina ny olona.

․․․․․

Hoe mety hahatonga antsika haniry hanao ratsy ny masontsika.

․․․․․

Hoe tsy manova na inona na inona ny fanomezana tsiny ny hafa rehefa diso ianao.

․․․․․

INONA NO TENA NAHALIANA ANAO TAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․