Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO

‘Nambara ho Marina Izy Noho Izay Nataony’

‘Nambara ho Marina Izy Noho Izay Nataony’

VAO mangiran-dratsy tamin’izay, ary nivondrona teo amin’ny lemaka nanodidina an’i Jeriko ny tafik’Israely. Nitazana azy ireo avy teo am-baravarankely i Rahaba. Nanomboka nandeha nanodidina an’ilay tanàna indray izy ireo, toy ny nataony teo aloha. Nitora-jofo ny vovoka ary nanakoako ny feon’anjombona.

Mponin’i Jeriko i Rahaba, ka hainy tsara ny lalana, trano, fivarotana, ary ireo tsenabe tao. Fantany tsara koa ny olona tao. Tsapany fa nihanatahotra izy ireo rehefa nanohy an’ilay fihetsika hafahafa ny Israely, ka nandeha nanodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro. Tsy natahotra sy kivy toa an’ireo olona ireo anefa i Rahaba, na dia nanakoako eran’i Jeriko aza ny feon’anjombona.

Nitazana tsara i Rahaba rehefa nanomboka nanodidina an’ilay tanàna ny Israelita, tamin’ny andro fahafito. Ankoatra an’ireo miaramila, dia hitany koa ireo mpisorona nitsoka anjombona sy nitondra ny vata masina. Manaporofo ny fanatrehan’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo io vata io. Alao sary an-tsaina i Rahaba nihazona an’ilay tady mena teo am-baravarankeliny, teo amin’ny sisin’ny manda. Nampahatsiahy azy izy io fa afaka manantena ny ho voavonjy izy sy ny fianakaviany, rehefa horavana ilay tanàna. Mpamadika ve i Rahaba? Tsia. Hitan’i Jehovah hoe nanana finoana niavaka izy. Andeha isika hiverina any am-piandohan’ny tantaran’i Rahaba, ary handinika ny lesona azontsika ianarana.

RAHABA MPIVARO-TENA

Tsy tian’ireo mpivaofy teny ara-baiboly io asan’i Rahaba io, ka nilaza izy ireo hoe tompona hotely fatoriana fotsiny izy. Tsy manafina ny marina anefa ny Baiboly. (Josoa 2:1; Hebreo 11:31; Jakoba 2:25) Noheverin’ireo Kananita ho toy ny asa rehetra ihany angamba ny asan’i Rahaba. Mety ho nanenjika an’i Rahaba anefa ny eritreriny, satria nataon’i Jehovah hahalala ny tsara sy ny ratsy ny olona. (Romanina 2:14, 15) Mety ho takany àry fa nahamenatra ny fomba fiainany. Toa an’ireo mpivaro-tena maro ankehitriny, dia mety ho tsapan’i Rahaba fa tsy afa-nanoatra izy, satria te hamelona ny fianakaviany.

Azo antoka fa te hanana fiainana tsara kokoa i Rahaba. Nanjaka tao amin’ilay tanàna nisy azy ny herisetra sy fitondran-tena maloto, toy ny firaisana tamin’olom-pady sy tamin’ny biby. (Levitikosy 18:3, 6, 21-24) Ny fivavahan’izy ireo no nahatonga izany. Nisy mpivaro-tena mantsy tao amin’ny tempoliny, ary nanao sorona ankizy izy ireo rehefa nivavaka tamin’ny andriamaniny, toa an’i Bala sy Moleka.

Hitan’i Jehovah ireny zava-dratsy nataon’ny Kananita ireny, ka hoy izy: “Maloto ilay tany, ka hosaziko izy io noho ny fahadisoany, ary haloan’ilay tany ny mponina ao aminy.” (Levitikosy 18:25) Ahoana no ‘hanasaziana azy io noho ny fahadisoany’? Nampanantena an’ireo Israelita Andriamanitra hoe: “Horoahin’i Jehovah Andriamanitrao tsikelikely tsy ho eo anatrehanao ireny firenena ireny.” (Deoteronomia 7:22) Taonjato  maro talohan’io, dia nampanantena i Jehovah fa hanome an’ilay tany ho an’ny taranak’i Abrahama, ary “tsy mahay mandainga” izy.—Titosy 1:2; Genesisy 12:7.

Nilaza koa i Jehovah fa tsy maintsy horinganina ny firenena sasany eo amin’ilay tany. (Deoteronomia 7:1, 2) “Mpitsara ny tany manontolo” izy, ka fantany ny ao am-pon’ny olona rehetra ary hitany hoe efa tena lalim-paka tao amin’izy ireo ny faharatsiana sy ny fitondran-tena maloto. (Genesisy 18:25; 1 Tantara 28:9) Azo antoka fa tsy mora ny fiainan’i Rahaba tao Jeriko. Tsy maintsy ho faly àry izy rehefa nandre tatitra momba ny Israelita. Reny fa nitarika ny Israely ny Andriamanitr’izy ireo. Andevo izy ireo nefa nandresy ny tafik’i Ejipta, izay tafika natanjaka indrindra tamin’izany. Hanafika an’i Jeriko ny Israelita izao, nefa mbola nikiry nanao ratsy ihany ny mponina tao. Izany no mahatonga ny Baiboly hiantso ny Kananita hoe ‘ireo tsy nankatò.’—Hebreo 11:31.

Tsy toy izany anefa i Rahaba. Afaka nisaintsaina ny tatitra reny momba ny Israely sy Jehovah izy, nandritra ny taona maro. Hitany fa tena tsy toy ny andriamanitry ny Kananita i Jehovah! Niady ho an’ny vahoakany izy fa tsy mba namono azy ireo, ary tsy nampirisika azy ireo hanimba tena fa ho tsara fitondran-tena. Heverin’io Andriamanitra io ho sarobidy koa ny vehivavy, fa tsy hoe fitaovana fanaovana firaisana fotsiny ka azo vidina sy amidy ary ampietrena amin’ny fivavahan-diso. Azo antoka fa natahotra an’izay mety hanjo an’ireo mpiray firenena taminy i Rahaba, rehefa nandre fa efa teo ampitan’i Jordana ny Israelita, ary vonona ny hanafika. Nahamarika an’i Rahaba ve i Jehovah ary nahita ny toetra tsarany?

Maro izao no toa an’i Rahaba. Tsapany fa tsy mendrika sy tsy mahafaly ny fomba fiainany, nefa izy tsy afa-manoatra. Mahatsiaro ho tsy misy dikany sy tsy misy miraharaha koa izy ireo. Hita avy amin’ny tantaran’i Rahaba anefa fa voamarik’Andriamanitra isika rehetra. Na kivy toy inona aza isika, dia tokony hitadidy fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Vonona sy maniry hanome fanantenana ho an’izay rehetra mino azy koa izy. Nino azy ve i Rahaba?

NORAISINY IREO IRAKA

Nisy vahiny roa lahy tonga tao amin’i Rahaba, indray andro, talohan’ny nandehanan’ny Israelita nanodidina an’i Jeriko. Nanantena izy ireo hoe tsy hisy hahamarika. Efa nitaintaina be ihany anefa ny mponina ka mailomailo raha vao nisy olona nahiahina ho mpitsikilon’ny Israelita. Fantatr’i Rahaba avy hatrany koa izy ireo, satria tsy toy ny zavatra notadiavin’ireo vahiny mpankao aminy no notadiaviny fa trano hatoriana fotsiny.

Mpitsikilo nalefan’ny Israelita tokoa izy roa lahy. Nirahin’i Josoa, mpitari-tafiny, izy ireo mba hamantatra hoe inona no nampahatanjaka an’i Jeriko ary inona no nampahalemy azy. Io mantsy no tanàna voalohany hotafihiny sady io angamba  no natanjaka indrindra. Tian’i Josoa ho fantatra hoe inona no niandry azy sy ny miaramilany. Fanahy inian’ireo mpitsikilo ny nankao amin’i Rahaba mpivaro-tena, satria tao ny vahiny no mety hoe tsy hisy hahamarika. Nanantena koa angamba izy ireo hoe hahazo fanazavana ilaina avy amin’ny resadresaky ny olona.

Milaza ny Baiboly fa ‘noraisin’i Rahaba tsara ireo iraka.’ (Jakoba 2:25) Nampidiriny tao an-trano izy ireo ary navelany hijanona tao, na dia mety ho fantapantany ihany aza ny fiavian’izy ireo sy ny anton-diany. Nanantena angamba izy hoe hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo.

Tampoka teo anefa, dia nisy iraka avy tamin’ny mpanjakan’i Jeriko tonga. Niely mantsy ny resaka hoe nisy mpitsikilon’ny Israely nankao amin’i Rahaba. Inona no hataon’i Rahaba? Tsy hampidi-doza azy sy ny ankohonany ve izy raha miaro an’ireo vahiny ireo? Tsy hovonoin’ny mponin’i Jeriko ve izy mianakavy raha manafina fahavalo? Efa tsy niafina taminy intsony aloha hoe iza ireo lehilahy ireo. Raha efa fantany fa tsara lavitra noho ny andriamaniny i Jehovah, tsy izao ve no fotoana tokony hiandaniana aminy?

Tsy nanam-potoana hieritreretana i Rahaba. Nahita hevitra anefa izy ary nanao zavatra haingana. Nisy tahon-drongony nihahy tao an-tampon-tranony, ka nafeniny tao ireo mpitsikilo. Niresaka tamin’ireo iraky ny mpanjaka izy avy eo hoe: “Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay niaviany. Rehefa maizina ny andro ka efa hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka ry zareo ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho haingana izy, fa ho tratranareo.” (Josoa 2:4, 5) Alao sary an-tsaina i Rahaba nijery an’ireo iraky ny mpanjaka. Nanahy ve izy sao fantatr’izy ireo hoe nidobodoboka be ny fony?

Nanao vivery ny ainy i Rahaba, ka nanafina an’ireo mpanompon’i Jehovah tao ambany tahon-drongony

Nandaitra ilay tetika! Lasa haingana ireo iraky ny mpanjaka nankany amin’ny toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana. (Josoa 2:7) Tsy maintsy ho maivamaivana i Rahaba. Hevitra tsotra no nampiasainy nefa voafitany ireo iraka nitady hamono olona sy tsy nanan-jo hahalala ny marina. Avotra ireo mpanompon’i Jehovah tsy nanan-tsiny.

Nankao an-tampon-tranony haingana i Rahaba, ary notantarainy tamin’ireo mpitsikilo izay nataony. Nilaza koa izy hoe kivy ny mponin’i Jeriko ary natahotra an’ireo Israelita. Azo antoka fa tena faly ireo mpitsikilo nandre an’izany vaovao tsara izany. Lasa natahotra ny herin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ireo Kananita ratsy fanahy! Tena mahaliana antsika koa ny tenin’i Rahaba  taorian’izay. Hoy izy: “I Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” (Josoa 2:11) Ny tatitra ren’i Rahaba momba an’i Jehovah, dia efa ampy hahalalany fa mendrika ny hatokisany ny Andriamanitry ny Israely. Nino an’i Jehovah àry izy.

Natoky tanteraka i Rahaba fa homen’i Jehovah fandresena ny Israelita. Niangavy an’ireo mpitsikilo àry izy mba hitsimbina ny ain’izy mianakavy. Nanaiky izy ireo, fa izao no fepetra: Tokony hanantona tady mena eo amin’ny varavarankeliny eo amin’ny sisin’ny manda i Rahaba, ary hihazona izany ho tsiambaratelo.—Josoa 2:12-14, 18.

Andraisantsika lesona sarobidy momba ny finoana ny tantaran’i Rahaba. Hoy ny Baiboly: “Ny finoana dia avy amin’izay re.” (Romanina 10:17) Nandre tatitra marina momba ny herin’i Jehovah sy ny fanaovany ny rariny i Rahaba, ka nino sy natoky azy. Manana fahalalana betsaka kokoa momba an’i Jehovah isika ankehitriny. Hiezaka hahalala azy ve isika, ka hino azy noho izay fantatsika avy ao amin’ny Baiboly?

RAVA ILAY TANÀNA LEHIBE

Nanaraka ny tenin’i Rahaba ireo mpitsikilo, ka nidina tamin’ny tady nanaraka ny rindrina ary nankany amin’ny faritra be tendrombohitra tany avaratr’i Jeriko. Feno lava-bato tany, ka afaka niafina izy ireo mandra-pilamin’ny toe-javatra. Niverina tany amin’ny tobin’ny Israely izy ireo taorian’izay mba hitantara an’ireo vaovao tsara avy tamin’i Rahaba.

Naneho finoana an’ilay Andriamanitry ny Israely i Rahaba

Tatỳ aoriana, dia vao mainka nihorohoro ny mponin’i Jeriko rehefa nandre fa nataon’i Jehovah tsy nikoriana ny Reniranon’i Jordana, ka afaka nandeha teo amin’ny tany maina ny Israelita. (Josoa 3:14-17) I Rahaba kosa vao mainka natoky fa nety ny ninoany an’i Jehovah.

Nandeha nanodidina an’i Jeriko ny Israelita avy eo, ary tsy nisy niteny na indraim-bava aza. Indray mandeha isan’andro izy ireo no nanao izany, nandritra ny enina andro. Niova anefa izany tamin’ny andro fahafito. Araka ny voalaza terỳ am-piandohana, dia nanomboka vao mangiran-dratsy ilay dia. Tsy nijanona izy ireo rehefa avy nanodidina an’i Jeriko indray mandeha, fa nanohy foana. (Josoa 6:15) Fa inona àry no ataon’ny Israelita?

Nijanona ireo miaramila rehefa avy nanodidina impito. Tsy notsofina intsony koa ny anjombona. Nisy fahanginana tanteraka! Vao mainka nitebiteby ny mponin’i Jeriko. Nomen’i Josoa baiko ireo miaramila israelita avy eo, ka nanao hiakan’ady. ‘Hafahafa koa izany fomba fiady izany’, hoy angamba ireo mpiambina teo an-tampon’ny mandan’i Jeriko. Tsy afaka nieritreritra ela anefa izy ireo, satria nanomboka nihovotrovotra ny manda, triatra, ary nianjera! Rehefa afaka ilay vovoka be, dia hita fa nisy ampahany kely tamin’ilay manda mbola nijoro. Ny tranon’i Rahaba io. Tsy rava izy io noho ny finoan’i Rahaba. Alao sary an-tsaina izay tsapany rehefa hitany hoe niaro azy sy ny fianakaviany i Jehovah! *Josoa 6:10, 16, 20, 21.

Nohajain’ny vahoakan’i Jehovah koa i Rahaba, noho ny finoany. Fantatr’izy ireo mantsy fa niaro azy i Jehovah, rehefa hitan’izy ireo hoe tsy rava io trano tokana io. Tsy ringana izy mianakavy. Navela honina teo akaikin’ny tobin’ny Israely i Rahaba, taorian’ilay ady. Lasa anisan’ny firenena jiosy koa izy, ary nanambady an’i Salmona. Lasa olona nanam-pinoana koa i Boaza zanany lahy, izay nanambady an’i Rota tatỳ aoriana. * (Rota 4:13, 22) Avy amin’ny fianakavian’i Rahaba no nipoiran’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy, ilay Mesia.—Josoa 6:22-25; Matio 1:5, 6, 16.

Hita avy amin’ny tantaran’i Rahaba fa sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay. Hitany daholo isika sy izay ao am-pontsika, ary faly izy na dia finoana kely toy ny an’i Rahaba aza no hitany ao amintsika. Nandrisika azy hanao zavatra ny finoany. Milaza ny Baiboly fa ‘nambara ho marina izy noho izay nataony.’ (Jakoba 2:25) Tena hendry tokoa isika raha manahaka ny finoany!

^ feh. 27 Mahaliana fa nohajain’i Jehovah ilay fifanarahana nataon’ireo mpitsikilo tamin’i Rahaba.

^ feh. 28 Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’i Rota sy Boaza, dia jereo ilay hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy 1 Oktobra 2012.