Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA AVY IREO LAINGA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA?

Lainga 3: Lozabe Andriamanitra

Lainga 3: Lozabe Andriamanitra

INONA NO INOAN’NY OLONA?

“Rehefa maty ny olona nanao fahotana mahafaty, dia midina any [amin’ny afobe] avy hatrany ny fanahiny, ka ampijalina mandrakizay ao amin’ny ‘afo tsy mety maty.’ ” (Katesizin’ny Eglizy Katolika, anglisy) Misy mpitondra fivavahana milaza fa sazy lehibe isarahana mandrakizay amin’Andriamanitra ny afobe.

NY MARINA LAZAIN’NY BAIBOLY

“Tsy mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Tsy afaka ny hijaly ao amin’ny “afo tsy mety maty” àry izy ireo, ary tsy hahatsiaro hoe tafasaraka mandrakizay amin’Andriamanitra.

Ny teny hebreo sy grika nadika matetika hoe “afobe”, ao amin’ny Baiboly, dia manondro ny fasana misy ny maty rehetra. Nivavaka toy izao, ohatra, i Joba rehefa narary be: “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana [“afobe”, Dikan-tenin’i Douay-Rheims] mantsy ianao.” (Joba 14:13) Tsy naniry ho any amin’ny toerana fampijaliana na isarahana amin’Andriamanitra i Joba, fa te hiala sasatra tany amin’ny fasana.

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Tsy ho tia an’Andriamanitra isika raha lazaina fa lozabe izy. Hoy i Rocío, any Meksika: “Nampianarina ahy tamin’ny mbola kely hoe misy ny afobe. Natahotra be aho ka tsy nino hoe manana toetra tsara Andriamanitra. Nihevitra aho fa masiaka sy tsy milefitra izy.”

Niova hevitra i Rocío, rehefa nahalala izay lazain’ny Baiboly momba ny didim-pitsaran’i Jehovah sy izay manjo ny maty. Hoy izy: “Toy ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina teo amiko. Lasa natoky aho fa tia sy mitady izay hahasoa antsika Andriamanitra, ary afaka ny ho tia azy aho. Toy ny ray mitantana ny zanany izy, ary te hanome azy io ny tsara indrindra.”—Isaia 41:13.

Maro no mazoto mivavaka satria matahotra ny ho any amin’ny afobe. Tsy tian’Andriamanitra anefa raha manompo azy noho ny tahotra isika. Hoy kosa i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao.” (Marka 12:29, 30) Rehefa fantatsika koa hoe manao ny rariny izy izao, dia matoky isika fa ho ara-drariny ny didim-pitsarany amin’ny hoavy. Afaka miteny toa an’i Eliho, naman’i Joba, isika hoe: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny.”—Joba 34:10.