Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA AVY IREO LAINGA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA?

Tsy Tian’ny Olona Andriamanitra

Tsy Tian’ny Olona Andriamanitra

“‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.”Jesosy Kristy, taona 33. *

Sarotra amin’olona sasany ny ho tia an’Andriamanitra, satria mistery, hono, izy, tsy miraharaha, na lozabe. Diniho ireto tenin’olona ireto:

  • “Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra aho, nefa tsapako koa hoe tsy vonon-kanampy izy. Nihevitra aho fa tsy mba manana fihetseham-po izy.”—Marco, Italia.

  • “Tena te hanompo an’Andriamanitra aho, nefa hoatran’ny tsy miraharaha ny olona izy. Nihevitra aho fa masiaka izy, ary tsy manao afa-tsy ny manasazy. Tsy nino aho hoe manam-pitiavana izy.”—Rosa, Goatemalà.

  • “Nihevitra aho tamin’ny mbola kely fa mpitsongoloka fahadisoana Andriamanitra, ary manasazy an’izay mendrika an’izany. Tsapako, tatỳ aoriana, hoe tsy miraharaha ny olona izy. Hoatran’ny praiminisitra miandraikitra ny raharaham-panjakana izy, nefa tsy tena mitady izay hahasoa ny olona akory.”—Raymonde, Kanada.

Tsy mahate ho tia ve Andriamanitra? Maro no nanontany an’izany. Tsy nivavaka tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny ankamaroan’ireo tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny Moyen Âge (taona 500-1500 tany ho any). Natahotra azy mantsy ny olona. Hoy i Will Durant, mpahay tantara: “Iza no olona mpanota ho sahy hivavaka amin’Andriamanitra iray mampahatahotra sy tsy miraharaha ny hafa?”

Nahoana ny olona no nieritreritra hoe “mampahatahotra sy tsy miraharaha ny hafa” Andriamanitra? Inona marina no ampianarin’ny Baiboly? Mety ho tia an’Andriamanitra ve ianao raha mahalala ny marina?