Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Mba Matotra Ihany ve Izaho Ity?

Mba Matotra Ihany ve Izaho Ity?

 Diniho ny tenanao

  •  Indraindray sa matetika aho no manao an’ireto? Sa efa toetrako ilay izy, sa kosa tsy izany mihitsy aho?

    •  Milaza ny marina

    •  Azo atokisana

    •  Manaja fotoana

    •  Mazoto miasa

    •  Tia mandamin-javatra

    •  Manampy olona

    •  Tsy miangatra

    •  Manaja olona

  •   Iza amin’ireo no tena toetranao?

     Tsara izany fa tohizo!—Filipianina 3:16.

  •   Ary iza amin’ireo no mbola mila iezahanao?

 Hanampy anao amin’izany ity lahatsoratra ity.

Inona no dikan’ny hoe matotra?

  Mahalala ny tokony hataony ny tanora matotra, na ao an-trano izany, na any am-pianarana, na eo amin’ny fiaraha-monina. Mieritreritra ny vokatry ny ataony koa izy. Miaiky izy rehefa diso, ka miala tsiny sady miezaka manonitra an’izay tsy nety nataony.

 Hoy ny Baiboly: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’—Galatianina 6:5.

Nahoana aho no tokony hiezaka ho matotra?

   Mampiasa ny fahaizany hanaovana zavatra tsara ny tanora matotra, ka lasa hajain’ny olona fa tsy ataony hoatran’ny zazakely. Atokisan’ny olona izy ka tsy voafehifehy be, sady manana tombony raha oharina amin’ny ankizy hafa.

 Hoy ny Baiboly: “Mahita olona mahay ny asany ve ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no ijoroany.”—Ohabolana 22:29.

  Matetika koa ny olona matotra no tsy kahihitra fa malala-tanana, ka vao mainka tian’ny namany.

 Hoy ny Baiboly: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.”—Lioka 6:38.

  Lasa matoky tena ny olona matotra satria mahatsapa fa nahavita zavatra, ary tsy mba mahatsiaro hoe tsy misy dikany.

 Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy.’—Galatianina 6:4.

Ahoana no ataoko mba hihamatotra aho?

  Diniho ny hevitr’ireto tanora ireto, ary jereo hoe iza no mahalaza izay tsapanao.

 “Mandreraka be mihitsy ilay atao hoatran’ny zazakely. Vao mihetsika kely ianao dia anontanian-dry Dada sy Mama hoe ho aiza!”—Kerri.

 “Izaho indray dia avelan-dry Dada sy Mama mandeha miaraka amin’ny namako foana, fa tsy mba bedy izany!”—Richard.

 “Gaga aho rehefa mahita ny ankizy mitovy taona amiko afaka manao izay tiany. Lasa saina aho hoe fa maninona àry izaho no tsy mba mahazo manao hoatran-dry zareo!”—Anne.

 “Avelan’i Dada sy Neny manao izay mahafinaritra ahy aho, amin’ny ankapobeny. Faly aho fa tsy mifehifehy be an’ahy ry zareo.”—Marina.

 Tadidio izao: Tsy voatery ho azonao atao daholo izay azon’ny ankizy hafa atao. Nahoana?

 Zava-misy tsy azo lavina: Arakaraka ny atokisan’ny ray aman-dreninao anao no hamelany anao hanao izay tianao.

 Jereo ange izay nolazain’i Richard sy Marina e!

 Richard: “Tsy tena natoky ahy ry Dada sy Mama tamin’ny voalohany. Hitan-dry zareo anefa hoe niezaka ho matotra aho dia tsy fehifeheziny be intsony. Tsy afeniko mantsy hoe handeha ho aiza aho, ary iza no hiaraka amiko any. Na tsy manontany aza ry zareo, dia lazaiko foana izay hataoko.”

 Marina: “Indroa aho no mba nandainga tamin’ny dadanay sy neninay, dia tratra foana anefa. Nanomboka teo aho dia nilaza ny marina foana. Teneniko daholo, ohatra, ny zavatra ataoko. Antsoiko amin’ny telefaonina koa ry zareo hoe aiza ho aiza aho. Dia lasa matoky ahy izao ry zareo!”

Manao raharaha sa miala voly no ataonao voalohany?

 Tianao ve ny ho hoatran’i Richard sy Marina? Diniho àry ireto:

AO AN-TRANO

  •   Vitanao tsara daholo ve ny raharaha ampanaovina anao?

  •   Hajainao tsara ve ny ora fodianao?

  •   Manaja ny ray aman-dreninao sy ny iray tam-po aminao ve ianao?

 Misy mbola tokony hiezahanao ve amin’ireo?

 Hoy ny Baiboly: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1.

FIANARANA

  •   Vitanao daholo ve ny devoara asaina ataonao?

  •   Miezaka mba hahazo naoty tsara ve ianao?

  •   Mazoto miana-desona ve ianao?

 Misy mbola tokony hiezahanao ve amin’ireo?

 Hoy ny Baiboly: “Fiarovana ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Mila mianatra tsara anefa ianao raha te hahazo fahendrena.

TSARA LAZA VE IANAO?

  •   Milaza ny marina foana ve ianao fa tsy mpandainga?

  •   Mahay mitsitsy vola ve ianao sa mpandanilany?

  •   Azon’ny olona itokisana ve ianao?

 Misy mbola tokony hiezahanao ve amin’ireo?

 Hoy ny Baiboly: ‘Tafio ny toetra vaovao.’ (Efesianina 4:24) Azonao hatsaraina ny toetranao mba ho tsara laza ianao.

 Soso-kevitra: Mifidiana zavatra iray amin’ireo tianao hiezahana. Mangataha torohevitra amin’olona hitanao hoe modely amin’io lafiny io. Soraty mazava tsara ny fomba hanatratraranao an’ilay izy, ary jereo matetika raha efa nihatsara ianao. Manaova diary kely dia lazao ao izay nety sy tsy nety. Diniho ny ezaka vitanao rehefa mifarana ny volana.