Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mpinamana Fotsiny sa Mpifankatia? Fizarana 1: Tia Anao Tokoa ve Izy?

Mpinamana Fotsiny sa Mpifankatia? Fizarana 1: Tia Anao Tokoa ve Izy?

 Tena tia an’ilay ankizilahy ianao, ary matoky hoe tia anao koa izy. Mifandefa sms foana mantsy ianareo, sady miaraka foana rehefa misy fiaraha-mikorana. Hitanao amin’ny sms sasany alefany aminao aza hoe tena taratara aminao izy.

 Niresaka taminy àry ianao, satria tianao ho fantatra raha tena tia anao tokoa izy. Hoy anefa izy: “Mpinamana fotsiny isika e!”

 Inona no tsapanao tamin’izay?

 “Tezitra be tamin’azy sy tamin’ny tenako aho! Nifandefa sms foana mantsy izahay isan’andro, ary tena nanampy an’ahy sy tsara fanahy tamiko izy. Tsy mahagaga raha lasa tia azy aho.”​—Hasina.

 “Niaraka tamin’ny ankizy nampiaraka izaho sy ilay ankizivavy. Hoatran’ny hoe samy nampiaraka izany ny fahitana anay. Nifampiresaka be izaho sy ilay ankizivavy, ary lasa nifandefa sms foana. Kivy be àry aho rehefa niteny tamiko izy hoe mpinamana fotsiny izahay, sy rehefa hitako hoe hay izy miaraka amin’ny ankizilahy hafa.”​—Richard.

 “Nandefa sms tamiko isan’andro izay ankizilahy izay. Indraindray aza izahay hoatran’ireny mpifankatia ireny. Rehefa nolazaiko taminy anefa hoe tia azy aho, dia nihomehezany fotsiny sady niteny izy hoe: ‘Izaho àry mbola tsy te hampiaraka izany koa!’ Nitomany be aho tamin’izay.”​—Tamara.

 Tadidio àry hoe: Raha mieritreritra ianao fa tia anao ny olona iray nefa hay ianao irery no tia, dia ara-dalàna raha tezitra na menatra ianao. Mety hahatsapa koa ianao hoe nivadika taminao izy. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Stefana: “Tena kivy be aho ary narary mihitsy ny foko. Elaela mihitsy aho vao natoky olona indray.”

 Nahoana izany no nitranga?

 Efa mahazatra be amin’izao ny mifandray amin’ny alalan’ny sms sy ny tranonkala fifaneraserana. Mety ho lasa tia olona iray tsy tia anao akory àry ianao rehefa mampiasa an’ireny. Jereo ny hevitry ny tanora sasany:

 “Misy olona mandefa sms aminao satria fotsiny hoe tsisy atao izy amin’iny fotoana iny. Ianao anefa mety hieritreritra hoe taratara aminao izy. Raha isan’andro mihitsy aza izy no mandefa sms, dia mety hieritreritra ianao hoe tena tia anao izy.”​—Jenny.

 “Mety ho efa tena tia ny iray aminareo, fa ilay iray kosa mila olona iresahana fotsiny na koa mba te hiseho hoe taratara aminy daholo ny olona.”​—Njaka.

 “Andefasany sms hoe ‘ tafandria mandry’ ianao, dia mety hieritreritra hoe tia anao izy. Izy anefa tsy mieritreritra an’izany mihitsy na kely aza.”​—Harisoa.

 “Mety hoe sariaka na koa tia anao ilay olona, matoa mandefa sariolona kely mitsikitsiky aminao. Ianao anefa tonga dia mieritreritra hoe tia anao izy.”​—Alicia.

 Tadidio àry hoe: Tsy voatery ho tia anao ny olona iray raha tsara fanahy aminao.

 Tsy mora anefa ny mitadidy an’izany, satria hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jeremia 17:9) Mamitaka tokoa ny fo, satria mety hahatonga anao hieritreritra hoe tena tia anao ilay olona, nefa hay eritreritrao fotsiny ilay izy.

 Inona no azonao atao?

  •   Ampiasao ny sainao. Diniho tsara aloha ilay izy. Eritrereto, ohatra, izao: ‘Hitako amin’ny fihetsiny na ny zavatra ataony ve fa tena tiany aho?’ Aza manaiky baikon’ny fo fotsiny fa ‘ampiasao ny saina.’—Romanina 12:1.

  •   Miezaha hahay hanavaka. Aza variana amin’ny fihetsika na zavatra ataony izay mahatonga anao hieritreritra hoe tia anao izy. Diniho tsara kosa sao dia ianao fotsiny no manombantombana an’izany. Tsy voatery ho tia anao izy na dia tia azy aza ianao.

  •   Aza maimaika. Andraso aloha ilay olona hiteny mivantana aminao hoe te hiaraka aminao izy vao asehonao koa hoe tia azy ianao. Ho voa mafy mantsy ianao raha tsy tia anao akory izy.

  •   Resaho aminy ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe “misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Raha tianao ho fantatra hoe tia anao ve ilay olona, dia anontanio izy. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Valerie: “Tsy maintsy halahelo ianao raha fantatrao hoe tsy tia anao izy. Aleo anefa fantatrao izao ilay izy, toy izay hiandry ela ka any aoriana ianao vao halahelo be.”

 Tadidio àry hoe: Mila ‘miaro ny fonao’ ianao. (Ohabolana 4:23) Raha tia olona iray ianao, dia fantaro aloha raha tia anao izy. Raha tsy fantatrao mantsy ilay izy, dia hoatran’ny hoe miandry nifin’akoho haniry ianao.

 Raha tia anao tokoa ilay olona, ary efa lehibe ianao ka afaka manambady, dia anjaranao ny manapa-kevitra raha hiaraka aminy na tsia. Tadidio fa tena hifankatia ny mpivady rehefa mitovy tanjona amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy roa, sady mifampiresaka tsy an-kifonofono. (1 Korintianina 7:39) Tsy maintsy ho mpinamana be mantsy ry zareo tamin’ny vao niaraka, ary tokony ho toy izany foana.—Ohabolana 5:18.