Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 3: Inona no Manakana Ahy?

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 3: Inona no Manakana Ahy?

 Matahotra ve ianao vao mieritreritra fotsiny hoe hanokan-tena ho an’i Jehovah dia hatao batisa? Raha izany, dia hanampy anao tsy hatahotra ity lahatsoratra ity.

Ho hitantsika ato hoe:

 Ahoana raha manao fahotana lehibe aho rehefa vita batisa?

 Fa maninona ianao no matahotra an’izany? Misy olona fantatrao angamba hoe nanao fahotana lehibe, dia voaroaka tsy anisan’ny fiangonana intsony. (1 Korintianina 5:11-13) Dia matahotra ianao hoe sao dia izany koa no hanjo anao.

 “Natahotra aho tamin’izaho vao nieritreritra hoe hatao batisa, satria sao dia hanaonao foana eo aho rehefa vita batisa. Tena tsy ho zakan’ny dadanay sy mamanay raha izany no mitranga.”​—Rebekah.

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany. ... Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy. Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.”​—Isaia 55:7.

 Eritrereto izao: Marina fa roahina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony izay nanao ratsy nefa tsy nibebaka. Mamindra fo anefa i Jehovah raha manetry tena ny olona iray ka mibebaka sy manaiky ahitsy.​—Salamo 103:13, 14; 2 Korintianina 7:11.

 Izao anefa: Na tsy lavorary aza isika, dia hahavita handresy fakam-panahy rehefa ampian’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:13) Sady ianao ihany koa no misafidy hoe hanaiky ho resy ianao sa tsia. Sa tsy izany?

 “Natahotra aho hoe sao dia hanao fahadisoana be rehefa vita batisa. Tonga saina anefa aho hoe diso koa aho raha tsy mety hatao batisa. Tsy tokony havelako hanakana ahy tsy hatao batisa ny hoe sao dia izao na sao dia izao.”​—Karen.

 Tadidio àry izao: Afaka misafidy ianao hoe tsy hanao fahotana lehibe mihitsy, hoatran’ny ataon’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah.​—Filipianina 2:12.

 Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

 Ahoana raha matahotra aho hoe tsy ho vitako izay tokony hataon’ny olona vita batisa?

 Fa maninona ianao no matahotra an’izany? Misy tanora fantatrao angamba hoe te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa, dia lasa nifindra any amin’ny toerana lavitry ny fianakaviany sy ny namany. Dia matahotra ianao sao dia manantena ny olona hoe hanao hoatr’izany koa ianao.

 “Betsaka kokoa ny zavatra azon’ny Kristianina vita batisa atao mba hampitomboana ny fanompoany, fa ny olona sasany fotsiny no tsy te hanao an’izany. Ny sasany indray anefa te hampitombo ny fanompoany, fa tsy afaka manao an’izany.”​—Marie.

 Andinin-teny tsara hotadidina: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’​—Galatianina 6:4.

 Eritrereto izao: Aza ampitahaina amin’ny olon-kafa ny tenanao, fa tadidio ity voalaza ao amin’ny Marka 12:30 ity: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo.”

 Lazainy eo hoe tokony hanompo an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao, fa tsy hoe maka tahaka an’izay ataon’ny olon-kafa. Raha tena tianao i Jehovah, dia ianao mihitsy no hitady hevitra mba hanaovana an’izay tsara indrindra vitanao hanompoana azy.

 “Marina aloha hoe dingana lehibe ny batisa e! Tsy hoe lasa mijaly be anefa ianao rehefa vita batisa. Raha miezaka hanana namana tsara ianao, dia ho eo foana ry zareo hanampy anao hanao an’izay tokony hataonao. Vao mainka aza ianao ho falifaly rehefa vita batisa satria hihabetsaka ny zavatra ampanaovina anao. Ho voa mafy izany ianao raha tsy mety atao batisa.”​—Julia.

 Tadidio àry izao: Eritrereto hoe inona avy no nataon’i Jehovah ho anao. Hankasitraka azy ianao amin’izay, satria ho tsapanao hoe tia anao izy. Hahatonga anao hanao izay tsara indrindra vitanao mba hanompoana azy izany.​—1 Jaona 4:19.

 Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Mba Matotra Ihany ve Izaho Ity?

 Ahoana raha mahatsapa aho hoe tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah?

 Fa maninona ianao no matahotra an’izany? I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao. Tsy misy dikany isika olombelona raha oharina aminy. Mety hiteny mihitsy aza ianao hoe ‘Izaho ve dia mba hitan’i Jehovah?’

 “Vavolombelon’i Jehovah ny dadanay sy mamanay, dia natahotra aho hoe sao dia izany fotsiny no nahatonga an’ahy hanompo an’i Jehovah, fa tsy hoe i Jehovah no te hinamana amiko.”​—Natalie.

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.”​—Jaona 6:44.

 Eritrereto izao: Matoa ianao mieritreritra ny hatao batisa, dia efa midika izany hoe i Jehovah mihitsy no te hinamana kokoa aminao. Dia tsy hanaiky hinamana aminy ve ianao?

 Tadidio koa hoe i Jehovah fa tsy ianao na olon-kafa no miteny hoe olona hoatran’ny ahoana no afaka minamana aminy. Manome toky antsika ny Teniny hoe raha ‘manatona an’Andriamanitra’ ianao, ‘dia hanatona anao izy.’​—Jakoba 4:8.

 “Tia anao i Jehovah matoa nataony izay hahafantaranao azy sy hahatonga anao ho namany. Dia raha mieritreritra ianao hoe tsy mendrika ny hanompo azy, dia tadidio hoe tsy mieritreritra an’izany izy. Sady marina foana izay eritreretin’i Jehovah.”​—Selina.

 Tadidio àry izao: Raha mahafeno fepetra hatao batisa ianao, dia mahafeno fepetra hanompo an’i Jehovah ianao izany. Tadidio koa fa mendrika ny hotompoinao izy.​—Apokalypsy 4:11.

 Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Aho no Tokony Hivavaka?