Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Misy Vokany eo Amiko ve ny Fampiasana Tambazotran-tserasera?

Misy Vokany eo Amiko ve ny Fampiasana Tambazotran-tserasera?

 Raha avelan’ny ray aman-dreninao hampiasa tambazotran-tserasera ianao, dia misy lafiny telo hanampian’ity lahatsoratra ity anao.

Ho hitanao ato ireto:

 Inona no vokatry ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fotoanako?

 Hoatran’ny hoe mitaingina soavaly matanjaka be ianao rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Mila fehezinao izy fa raha tsy izany dia ianao indray no hofeheziny.

 “Tsy mieritreritra ny hijanona ‘ela be’ eo izany aho rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Tsy hitahitako akory anefa dia lany teo ny fotoanako. Tsy te hiala eo mihitsy ianao dia mandany fotoana be ilay izy.”​—Joanna.

 Fantatrao ve? Efa natao hahatamana ny olona ny tambazotran-tserasera. Fantatry ny olona nanamboatra azy ireny fa arakaraka ny itiavan’ny olona ny tambazotran-tserasera iray sy ny fotoana laniny eo no mahabetsaka ny vola azo avy amin’ny mpanao dokam-barotra.

 Saintsaino izao: ‘Matetika ve aho no variana be rehefa mampiasa tambazotran-tserasera dia lany fotoana teo aho? Mety ho azoko nampiasaina tamin’ny zavatra mahasoa kokoa ve ny sasany tamin’ny fotoana laniko?’

 Inona no azonao atao? Fero ny fotoana ampiasanao tambazotran-tserasera dia hajao izany.

Fero ny fotoana ampiasanao tambazotran-tserasera

 “Efa ferako ny fotoana ampiasako ny programa sasany ao amin’ny telefaoniko. Mihidy ho azy avy eo ilay programa rehefa tapitra ilay fotoana noferako iny. Hoatr’izany no nataoko nandritra ny fotoana elaela. Nanampy an’ahy izany mba hahay handanjalanja fa tsy ho lany fotoana rehefa mampiasa tambazotran-tserasera.”​—Tina.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Efesianina 5:16.

 Inona no vokatry ny tambazotran-tserasera eo amin’ny torimasoko?

 Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa mila matory adiny valo, fara fahakeliny, ny tanora. Betsaka anefa ny tanora lasa tsy ampy torimaso ary mety ho ny fampiasana tambazotran-tserasera no mahatonga an’izany.

 “Mijery telefaonina aho alohan’ny hatory sao dia misy zavatra vaovao tonga ao. Rehefa misy zavatra mahaliana an’ahy anefa dia tavela eo aho, dia ilaozako mijery ny sary alefan’ny olona ao amin’ny tambazotran-tserasera. Miezaka aho mba hiala amin’izany fahazaran-dratsiko izany.”​—Maria.

 Fantatrao ve? Lasa be fanahiana sy kivy lava ny olona tsy ampy torimaso. Nilaza i Jean Twenge, manam-pahaizana momba ny psikolojia, hoe anisan’ny antony lehibe mahatonga ny olona anankiray hahatsapa ho tsy metimety sy sorisorena ny tsy fahampian-torimaso. Nilaza koa izy fa “mety ho voan’ny aretin-tsaina ny olona iray raha maharitra ela izany.” a

 Saintsaino izao: ‘Ampy torimaso ve aho isan’andro?’ ‘Efa miandriandry torimaso ve aho rehefa midabodaboka eo am-pandriana iny sa mbola ilaozako mampiasa tambazotran-tserasera?’

 Inona no azonao atao? Apetraho any an-toeran-kafa ny fitaovanao amin’ny alina fa aza ajanona ao amin’ny efitra fatorianao. Raha azo atao koa dia aza mampiasa telefaonina na tablette intsony adiny roa alohan’ny hatorianao. Zavatra hafa ampiasaina mba hamoha anao amin’ny maraina fa tsy ny telefaoninao na ny tablette-nao.

Aza mampiasa tambazotran-tserasera alohan’ny hatorianao

 “Matetika aho no alina be vao matory satria mampiasa fitaovana elektronika, fa efa miezaka miova aho izao. Tiako aho raha mba mihamatotra sy mahay mandray andraikitra. Tokony hatory aloha aho amin’izay velombelona tsara ny ampitson’iny.”​—Jeremy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “[Fantaro] izay zava-dehibe kokoa.”​—Filipianina 1:10.

 Inona no vokatry ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fihetseham-poko?

 Nisy fanadihadiana natao tamin’ny ankizivavy teny amin’ny lise, dia efa ho ny antsasak’izy ireo no nilaza hoe “malahelo lava sy tsisy fanantenana.” Mpampiasa tambazotran-tserasera ry zareo, dia mety ho izany no mahatonga an’ilay olana. Nolazain’ny Dr. Leonard Sax hoe: “Lasa mora kivy ianao rehefa lany fotoana mampiasa tambazotran-tserasera ka mampitaha ny fiainanao amin’ny fiainan’olon-kafa.” b

 “Fanaon’ny tanora ny mampitaha ny tenany amin’ny olon-kafa. Vao mainka manao an’izany anefa izy rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Mahita sary be dia be alefan’ny olona ianao ao dia lasa mampitaha ny fiainanao amin’ny fiainan-dry zareo. Na ianao mety hahita hoe mifalifaly be ny namanao, dia lasa mieritreritra ianao hoe mankaleo ny fiainanao.”​—Phoebe.

 Fantatrao ve? Mety hanampy anao hifandray amin’ny namanao ny tambazotran-tserasera. Hafa ihany anefa ilay hoe mifampiresaka mivantana. Izao no nolazain’i Dr. Nicholas Kardaras: “Tsy natao hifandray amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika isika olombelona, fa natao hifandray mivantana. Izany no mahatonga an’ilay hoe afa-po kokoa isika rehefa mifampiresaka mivantana.” c

 Saintsaino izao: ‘Lasa mahatsapa manirery ve aho rehefa mahita ny zavatra ataon’ny namako?’ ‘Rehefa mahita ny sary mahafinaritra be alefan’ny namako ao amin’ny tambazotran-tserasera ve aho dia lasa mieritreritra hoe mankaleo ny fiainako?’ ‘Lasa kivy ve aho raha tsy mahazo j’aime mihitsy na zara raha mahazo?’

 Inona no azonao atao? Raha lasa adalana tambazotran-tserasera ianao, dia andramo izao: Aza mampiasa an’izany mandritra ny andro vitsivitsy, na herinandro, na iray volana mihitsy. Ampitomboy ny fotoana iarahanao amin’ny namanao na iantsoanao azy ireo an-telefaonina. Diniho ny vokany avy eo. Lasa faly kokoa sy tsy dia niady saina ve ianao rehefa nijanona kely tsy nampiasa tambazotran-tserasera?

Afaka manokana fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny namanao ve ianao?

 “Lasa mifantoka be amin’izay ataon’ny olon-kafa aho rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Maivamaivana erỳ anefa aho rehefa nofoanako daholo ny kaontiko. Lasa nanana fotoana betsaka kokoa nanaovana zavatra mahasoa aho.”​—Briana.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aleo ... ny tsirairay samy handinika an’izay ataony, amin’izay dia ny zavatra ataony no hahafaly azy. Fa tsy tokony hampitaha ny tenany amin’olon-kafa izy.”​—Galatianina 6:4.

a Avy amin’ilay boky hoe iGen.

b Avy amin’ilay boky hoe Why Gender Matters.

c Avy amin’ilay boky hoe Glow Kids.