Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Fa Maninona àry no Tsy Mety Foana ny Zavatra Teneniko?

Fa Maninona àry no Tsy Mety Foana ny Zavatra Teneniko?

 “Misy fotoana aho mba mahatandrina ny zavatra lazaiko, fa indraindray hoatran’ny hoe mandeha ho azy izany fotsiny ilay izy!”—James.

 “Tsy mieritreritra ny zavatra hoteneniko aho rehefa miasa saina. Be resaka loatra indray anefa aho rehefa falifaly. Hoatran’ny hoe tsy mety foana ny zavatra teneniko e!”—Marie.

 Milaza ny Baiboly hoe toy ny afo ny lela. “Kely fotsiny dia efa mampirehitra ala be.” (Jakoba 3:5, 6) Matetika ve ianao no mahita olana noho ny zavatra lazainao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity raha izany.

 Fa maninona no tsy mety foana ny zavatra teneniko?

 Tsy lavorary. Hoy ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2) Tsy lavorary isika ka tsy voafehintsika indraindray ny zavatra lazaintsika.

 “Mandainga aho raha miteny hoe voafehiko tsara ny zavatra eritreretiko sy lazaiko, satria izaho aza tsy lavorary.”Anna.

 Be resaka loatra. Hoy ny Baiboly: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota.” (Ohabolana 10:19) Mety hiteny zavatra mampahatezitra ny hafa ianao, raha be resaka loatra fa zara raha mihaino.

 “Tsy hoe rehefa be resaka ianao, dia ianao izany no tena mahay. I Jesosy no olona nahay indrindra teto an-tany, nefa nisy fotoana izy nangina.”—Julia.

 Manao vazivazy tafahoatra. Hoy ny Baiboly: “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” (Ohabolana 12:18) Anisan’ny teny tsy voahevitra ny vazivazy sasany. Manambany ny hafa mantsy ilay izy, dia lasa mampalahelo azy. Mety hiteny ilay olona mivazivazy hoe: “Mihanihany fotsiny aho an!” Kanefa raha zavatra manambany sy mampalahelo ny hafa ve dia tokony hampihomehy? Milaza ny Baiboly hoe tsy tokony ‘hanevateva sy hanaratsy’ olona mihitsy isika.—Efesianina 4:31.

 “Izaho tia mananihany sy mampihomehy olona. Lasa tafahoatra anefa ilay izy matetika, dia mahita olana foana aho.”—Oksana.

Tsy azo averina intsony ny zavatra efa notenenina, hoatran’ny paomady tsy azo averina ao anaty tranony

 Inona no hanampy ahy hitandrina ny zavatra teneniko?

 Mety ho sarotra aminao ny mitandrina an’izay lazainao. Afaka manampy anao anefa ny toro lalan’ny Baiboly. Diniho, ohatra, ireto:

 “Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo ... Ary aoka hangina ianareo.”—Salamo 4:4.

 Aleo tsy mamaly rehefa tezitra. Hoy i Laura: “Tena te hamoaka an’izay any am-poko aho, rehefa ilay tezitra be iny.” Hoy ihany izy: “Miezaka ny ho tony foana anefa aho. Faly aho avy eo satria tsy nilaza zavatra nety ho nanenenako.” Na miezaka ny ho tony segondra vitsy fotsiny aza ianao, dia efa manampy anao tsy hiteniteny foana izany.

 “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.”—Ohabolana 15:28.

 Tsy hahita olana ianao raha mieritreritra tsara aloha vao miteny. Azonao atao ny misaintsaina hoe:

  •   Marina ve ilay zavatra tiako hotenenina? Tsara fanahy ve aho raha miteny an’ilay izy? Ilaina ve ny miteny an’ilay izy?—Romanina 14:19.

  •   Ho faly ve aho raha misy olona miteny zavatra hoatr’izany amiko?Matio 7:12.

  •   Sao dia tsy miraharaha ny heviny aho raha miteny an’ilay izy?—Romanina 12:10.

  •   Sao dia tsy izao aho no tokony hiteny an’ilay izy?—Mpitoriteny 3:7.

 “Amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”—Filipianina 2:3.

 Tsy hieritreritra zavatra ratsy momba ny hafa ianao raha manaraka an’io torohevitra io. Hanampy anao hitandrina an’izay lazainao izany, ka hieritreritra tsara ianao vao hamaly. Mety hahateny zavatra mampalahelo olona ihany anefa ianao indraindray. Miezaha hanetry tena raha izany, ka mialà tsiny haingana. (Matio 5:23, 24) Mitandrema tsara amin’ny manaraka!