Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao Isika Hianatra Fiteny Hafa E!

Andao Isika Hianatra Fiteny Hafa E!

Haka:

  1. 1. Mba azo atao tokoa ve

    Raha manitatra ’ndray?

    Mivavaha aloha, dia...

    Diniho ’zay tanjona izay.

    Ny mianatra fiteny,

    Ho vitanao fa iezaho.

    Ho avo zato heny

    ’Zao fifalianao izao!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao ’loha handramana ihany e!

    ’Zay fanahiana aleo ho any.

    ’Ndao mba handramana ny any e!

    Tsy hanenenanao ’zany, ooo.

    Andramo àry e!

    Andramo àry e, ny any Makedonia any.

  2. 2. Ho tianao ny fitoriana.

    Mahazo mpianatra avy eo.

    Vao mainka ianao variana

    Rehefa mandroso izy ireo.

    Ary ianao tsy mba ho irery,

    Jehovah ho namanao.

    Fa eo foana izy hampahery

    Ka ho hainao ’lay fiteny vaovao!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba handramana ihany e!

    ’Zay fanahiana aleo ho any.

    Ho hitanao eny ihany e!

    Fitahiana tsy ho lany.

    Io ’nie tsy manan-tsahala,

    Aza misalasala, ooo.

    (FIVERENANA)

    ’Ndao mba handramana ihany e!

    Tsy hanenenanao ’zany, ooo.

    Andramo àry e!

    Andramo àry e!

    ’Ndao mba handramana ihany e, ny any Makedonia any!