Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misikìna Herim-po, dia Manomboha!

Misikìna Herim-po, dia Manomboha!

Haka:

  1. 1. Tao am-ponay

    Efa hatrizay,

    Mpisava lalana

    No tanjonay.

    Tianay hatao

    Androany androany,

    Fa tombontsoa tsy indroa,

    Mandalo ihany.

    (FIVERENANA)

    Finoana izao

    No ilainao.

    K’aza misalasala,

    Mandraisa anjara.

    Tsy ho mora moa,

    Fa manehoa herim-po,

    Dia manomboha.

    Ataovy aloha!

  2. 2. Jehovah anie

    No hanome

    ’Zay ilainao

    Sy izay mba irinao.

    Raha toa tsy sahy

    Na koa manahy,

    Dia matokia satria

    Jehovah miahy.

    (FIVERENANA)

    Finoana izao

    No ilainao.

    K’aza misalasala,

    Mandraisa anjara.

    Tsy ho mora moa,

    Fa manehoa herim-po,

    Dia manomboha.

    Ataovy aloha!

  3. 3. Io fa mivoha,

    Ka mandrosoa!

    Tsy ho neninao izao,

    Fa andao hatao.

    Manomboka eo,

    Ho fitahiana maro be

    No ho azonao.

    Andramo anie!

    (FIVERENANA)

    Finoana izao

    No ilainao.

    K’aza misalasala,

    Mandraisa anjara.

    Tsy ho mora moa,

    Fa manehoa àry herim-po,

    Dia manomboha.

    Ataovy aloha!

    Finoana izao

    No ilainao.

    K’aza misalasala,

    Mandraisa anjara.

    Tsy ho mora moa,

    Fa manehoa àry herim-po,

    Ka manomboha;

    Dia ho afa-po.

    ’Ndao mandrosoa!