Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavariana Anay ny Asanao

Mahavariana Anay ny Asanao

Haka:

  1. 1. Miara-miaiky isika: Soa fa eo ’lay Fanjakana

    Mampianatra ny marina, mampita fahalalana.

    Ilay mpanompo notendreny hikarakara antsika.

    Eo koa ’reo mpiandry tsara toetra ’zay miahy fa tsy masiaka.

    Mahafaly anay rehetra ireo fivoriambe.

    Raha oharina amin’ny hatrizay: Mihatsara be anie!

    Dia miofana izahay mba ho mpampianatra mahay,

    Satria eo ireo fivoriana hanampy foana anay.

    (FIVERENANA)

    Mahavariana anay

    Ny asan’ny Fanjakanao,

    Ka efa tsy andrinay

    ’Zay mbola hitranga ao amin’ny tontolo vaovao.

    Mitombo ny finoanay satria nahalala anao.

  2. 2. Ianao tena tianay, ka manompo anao ’zahay.

    Dia ’lay fitiavana ao am-po tsy ho lefy mandrakizay.

    Mpiara-miasa aminao sady omenao fiadanan-tsaina,

    Atoronao ’zay mahasoa, hoe : ‘’Zao no fomba fiaina.’

    Ireo hira kosa mikalo izay mba vetsom-po.

    Ny fotoam-pivavahana indray mitondra soa.

    Ary isika rehetra na dia samihafa fiaviana

    Dia miavaka, mifankatia satria fianakaviana.

    (FIVERENANA)

    Mahavariana anay

    Ny asan’ny Fanjakanao,

    Ka efa tsy andrinay

    ’Zay mbola hitranga ao amin’ny tontolo vaovao.

    Mitombo ny finoanay satria nahalala anao.