Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Anao

Ho Anao

Haka:

  1. 1. Mba inona àry no tena tiako?

    Aiza ny lalana hofidiko?

    Hanao ’lay voady aho indray andro any.

    Nahoana ’nefa no ela izany?

    Fa tonga saina aho rehefa mijery

    Ireo nifidy anao.

    Tsy hoe terena fa sitrapony irery,

    Dia ’zay koa no tiako hatao.

    (FIVERENANA)

    Izaho efa vonona am’izay

    Hamaly ny antsonao.

    Ampio aho raha matahotra indraindray,

    Fa hanokan-tena ho anao,

    Hanokan-tena ho anao.

  2. 2. Ny tena mba faniriako izao

    Dia ny ho tianao sy ho namanao.

    Raha sendra kivy aho na koa tsy sahy,

    Ianao ihany no hanampy ahy.

    Ny fiainana anie tsy hoe kilalao,

    Ho lavitra ny dia.

    Hanompo anao aho izao tanora izao,

    Tsy hiandry intsony aho satria...

    (FIVERENANA)

    Izaho efa vonona am’izay

    Hamaly ny antsonao.

    Ampio aho raha matahotra indraindray,

    Fa hanokan-tena ho anao,

    Hanokan-tena ho anao.

    Hanokan-tena ho anao.

    Hanokan-tena ho anao.