Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fon’ankizy

Fon’ankizy

Haka:

  1. 1. Kristy mihitsy no nilaza

    Hoe: ‘Aoka ianao ho toy ny zaza.’

    Mirehareha ny maro nefa moa

    Ny ankizy kosa mba tso-po.

    Manetry tena izy; Koa mba miezaha ho toa azy, ho fon’ankizy.

    (FIVERENANA)

    Ho toy ny zaza: Haneho fitia sy hanao soa,

    Hifanaja, tsy hanavakavaka ao am-po.

    Na samy hafa aza, toy ny hoe iray ihany, iray ny fiaviany.

    Fa ny zaza tsy mahita izay tsy fitoviany.

  2. 2. Ny manodidina antsika

    Mianjonanjona ary masiaka,

    Manilikilika an’ireo ambany.

    Ny ankizy kosa tsy hoatr’izany.

    Koa tahafo àry izy, ka ny fonao ovao ho fon’ankizy.

    (FIVERENANA)

    Ho toy ny zaza: Haneho fitia sy hanao soa,

    Hifanaja, tsy hanavakavaka ao am-po.

    Na samy hafa aza, toy ny hoe iray ihany, iray ny fiaviany.

    Fa ny zaza tsy mahita izay tsy fitoviany.

    Tsotra anie ny zaza!

    (TETEZANA)

    Na ny olon-dehibe

    Sy matotra anie

    Mila mahatsiaro hoe

    Tsy mirehareha

    Fa toy ny zaza,

    Tsy mba miseho ho ambony;

    Satria ny zaza dia tsotra ny fony.