Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havako Ianareo!

Havako Ianareo!

Haka:

  1. 1. Tonga soa! Faly erỳ ny fo,

    Na dia lavitra aza ny atỳ.

    Raha vao niainga koa

    Dia Jehovah moa

    No nitantana ny dia.

    Fa fitiavana tsy hay fefena;

    ’Zay no hita n’aiza jerena.

    Ny anadahy sy rahavavy, tena hoe mpianakavy,

    Ka faly aho mihira hoe:

    (FIVERENANA)

    “Vahoakan’i Jehovah:

    Iray ihany, samy tena tiako.

    Na dia samy hafa fiaviana,

    Tsy misy hafa

    Fa fianakaviako.”

  2. 2. Tsikitsiky, endrika sariaka

    No nandraisanareo anay.

    Dia feno hafaliana raha nandre mozika.

    Hay toy izao ny hoe tafaray!

    ’Sika fianakavian’i Jehovah,

    Miray saina sy miray fo.

    Koa na avy aiza àry ianao, dia avia ka andao

    ’Sika hiara-hihira hoe:

    (FIVERENANA)

    “Vahoakan’i Jehovah:

    Iray ihany, samy tena tiako.

    Na dia samy hafa fiaviana,

    Tsy misy hafa

    Fa fianakaviako.”

  3. 3. Tonga hizara ilay vaovao tsara,

    Dia mba hiantra sy haneho fitia.

    Ny olona itoriana, tsotra sady liana.

    Tena faly aho, mankafy!

    Dia ’reo namana mikarakara

    No vao mainka mahatamana.

    Ka na samy hafa foko, na hoe samy hafa loko,

    Dia havako ianareo!

    (TETEZANA)

    Tsarovy izao:

    Maneran-tany tsy misy mifandao,

    Na any Mali na koa Italia

    No halehanao.

    (FIVERENANA)

    “Vahoakan’i Jehovah:

    Iray ihany, samy tena tiako.

    Na dia samy hafa fiaviana,

    Tsy misy hafa

    Fa fianakaviako.

    Na tsy mitovy fiteny,

    Tsy misy hafa sady miray hina.

    Na dia samy hafa firenena,

    Dia iray ihany satria fianakaviana!

    Vezo, Tandroy, Espaniola na Sinoa,

    Mainty na fotsy, lehibe na tsia,

    Na Japoney, Poloney, na koa Zoloa,

    Dia iray ihany, ka mifankatia!”