Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Teninao Tsy ho Foana

Ny Teninao Tsy ho Foana

Haka:

  1. 1. Nampiseho ny finoany

    ’Reo tia anao tao am-pony,

    Ka voatahiry hatrizao

    Ilay boky iray avy aminao.

    Izy ireo no nandika.

    Nasainao niaro, nampita.

    Ka ’zay voalaza fahiny

    Mbola azo ampiharina ankehitriny.

    Nasehon’ny tantara,

    Faly izy ireo nandray anjara,

    Ka nokaliany sady nokajiany

    Ireo teny tianao hambara.

    (FIVERENANA)

    Ny Teninao tsy ho foana

    Na hifandimby aza ny taona.

    Io no aina ho anay, hanome hery indray

    Ka hitarika ahy mandrakizay.

  2. 2. Ô, nandalo fisedrana maro

    Io boky io fa voaro.

    Kanefa hitoetra ny teny rehetra,

    Tsy ho resin’ny fahavalo.

    Na teo ireo nitady handrara

    Dia nisy ihany tia ny tsara.

    Satria noho ny finoany dia ny ainy no nafoiny.

    Dia ’zao ny Baiboly voazara.

    (FIVERENANA)

    Satria ny Teninao tsy ho foana

    Na hifandimby aza ny taona.

    Io no aina ho anay, hanome hery indray

    Ka hitarika ahy mandrakizay.

  3. 3. Ilay anaranao hoe Jehovah

    Hoderainay ihany koa,

    Satria tsisy ho voafafa

    Na dia teny iray aza,

    Fa tsy maintsy ho tò avokoa.

    (FIVERENANA)

    Fa ny Teninao tsy ho foana

    Na hifandimby aza ny taona.

    Io no aina ho anay, hanome hery indray

    Ka hitarika ahy mandrakizay.

    Mandrakizay.